Samy varimbariana tamin’ny fetim-behivavy avokoa, omaly. Hadinodino fa hay misy otrikafo misoko mangina, mitarika any amin’ny fifanjevoan’ny samy Malagasy eto. Miseho lany ny fifampihantsiana. Tsy ny mpanao politika ihany, fa hatramin’ny mpianatra sy ny mpanabe. Zara raha nisy mpireska ny mpitandro filaminana naratran’ny mpanao fitokonana. Manginy fotsiny ny fitetezam-paritra ataon’ny […]
Indraimbava
Mbola lavitry ny afo…ny kitay
Naresaka ery ny tanàna omaly ! Nahoraka ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 8 marsa. Nifanindran-dalana tamin’izany, nitohy sy mbola feno olona, niteraka fitohanana ny tsenan’Alarobia eny Andravoahangy. Ny omaly tsy miova ny fiainana andavanandro. Tsy mahagaga rahateo izany, maro ny vehivavy nafarana avy any amin’ny faritra, nentina niara-nifety tetsy amin’ ny […]
Lahy sy vavy miara-mientana no izy !
Mankalaza ny andro maneran-tany natokana hoenti-miady ny zon’ny vehivavy isika anio. Makotrokotroka ny fankalazana, tanatin’ny andro maromaro izay, teto an-drenivohitr’i Madagasikara. Nanao angaredona ireo minisitera voakasiky ny fankalazana, indrindra fa ny entim-biavy. Tsy nahatsiaro tena ho vizaka ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fanenjehana sy fanomezam-boninahitra ny rahavaviny sy ny […]
Marary ilay firenena!
Tafahoatra ny zava-misy ankehitriny, amin’ny fitiavan-tseza miteraka lonilony amin’ny samy mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy sehatra, tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, fa rehefa misy hirika hidirana sy handrehetana ny afo dia injao mailaka ny fikopakopahana azy hidedaka. Inona indray izao ny tanjona amin’io resaka ambasadaoro any Paris io? […]
Fahamarinan-toerana politika… androsoana
Olana politika no anisan’ny fototra sy fositra mahatonga olana toekarena? Na ny mifamadika amin’izay: ny olana toekarena no miteraka fahasahiranana politika. Saingy na ahoana na ahoana, saika mifaningo-paka amin’izy roroa ireo hatrany ny olana sosialy: mahatonga olana sosialy saro-bahana sy mitarazoka, ohatra, ny olana toekarena amin’ny firenena mahantra. Toy izany […]




