Indraimbava

Mitazam-potsiny

  Sanatrian’ny vava hoe tsy misy zavatra mandeha akory eto amin’ny firenena ka miiba hatrany ny fama­kafakana. Maro ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana, indrindra ny lafiny foto-drafitrasa. Singa iray mariky ny fampandrosoana nilokalokana ireny. Ilaina ihany koa mba ho fampirisihana ny Malagasy ho mpanangana fa tsy mpandrava. Hambolena ny toe-tsaina manorina […]

Tsy mila mandrimandry

  Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy. Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanason­gadinana ny […]

Mba misy ho sahy ve?

Ny faha-22 ny volana novambra lasa teo no tapitra ny 100 andro nilokalokan’ny minisitra isan-tsokajiny fa hitondra fanovana goavana ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo. Vani­nandro nihanianana ampahibemaso fa raha tsy mahavita izay nolazaina dia azo esorina na hanala tena? Efatra andro izay no lasa tsy mbola naheno siosion-dresaka aloha […]

Mifamita-tena

  Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray. Andaniny, […]

Mila fahaizana miara-miaina

  Mandeha araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Milamina avokoa izany amin’ny ankapobeny, afa-tsy ny singa maningana toy ny tany amin’ny distrikan’Isandra, nifanala baraka ny kandidà ben’ny Tanàna laoranjy sy ny depiote. Tsy misy olana ny eto an-dRenivohitra izay taratry ny faritra rehetra. Ny tiana ho […]