Indraimbava

Tsy mila mandrimandry

  Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy. Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanason­gadinana ny […]

Mba misy ho sahy ve?

Ny faha-22 ny volana novambra lasa teo no tapitra ny 100 andro nilokalokan’ny minisitra isan-tsokajiny fa hitondra fanovana goavana ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo. Vani­nandro nihanianana ampahibemaso fa raha tsy mahavita izay nolazaina dia azo esorina na hanala tena? Efatra andro izay no lasa tsy mbola naheno siosion-dresaka aloha […]

Mifamita-tena

  Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray. Andaniny, […]

Mila fahaizana miara-miaina

  Mandeha araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Milamina avokoa izany amin’ny ankapobeny, afa-tsy ny singa maningana toy ny tany amin’ny distrikan’Isandra, nifanala baraka ny kandidà ben’ny Tanàna laoranjy sy ny depiote. Tsy misy olana ny eto an-dRenivohitra izay taratry ny faritra rehetra. Ny tiana ho […]

Ady… hilaminana

  Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao. Heverina fa tsy hisy fokontany na kartie hadino. Ady fiady… Mifankahalala ary miresaka ny amin’ny kandidà sy izay fandaharanasany hampandrosoana ny tanàna ny mponina sy ny isan-tokantrano? Tena akaiky vahoaka sy ifotony ny raha­raha: fampielezan-kevitra, fandatsaham-bato, fanisam-bato…. […]