Hanao ahoana ny ho tohiny sy faran’izao toe-draharaham-pirenena izao? Mbola misy ny tsy mampitovy hevitra be ihany. Eo, ohatra, ny fiarahamonina sivily na antoko sasany, miady sisika hatrany ny amin’ny tokony hisian’ny fifampidinihana sy marimaritra iraisana ny amin’izay rafitra sy fitondrana ny Tetezamita. Mba tsy handeha ila ny fanapahan-kevitra […]
Indraimbava
Ady fiady
8 marsa. Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ao anatiny tanteraka izao. Efa nisy ny hetsika samihafa isam-paritany na faritra: fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, fambolen-kazo, varotra fampirantiana… Arahaba soa, arahaba tsara. Na izany aza, tsy avela handalo fotsiny; eny, na hoe misy sy fanao isan-taona aza. Indrindra amin’ity hoe Fanavaozana… “Vehivavy malagasy, […]
Tontolo iainana
Tao anatin’ny andro vitsivitsy, nalaza teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny resaka tontolo iainana. Nisy ny ady amin’ny trafika sy ny tantely afa-drakotra ny harena voajanahary. Maro ny filazana etsy sy eroa amin’ny tsy fahampian’ny olona miasa na miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manginy fotsiny ny resabe mandeha […]
Mizotra tsimoramora
Niaraha-nahita fa efa tafapetraka any amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny tondrozotra ho enti-mitondra ny Tetezamita, misahana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Mazava ny resaka fa amin’ny herintaona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Nokendrena hifanitsy amin’ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny fitondrana teo aloha ihany. Hahazo filoha lanim-bahoaka amin’ny fifidianana ny Malagasy. Araka izany, […]
Nibaliaka nahafinaritra
Anisan’ny nahaliana sy nahasarika ny mpahay habakabaka ny omaly tolakandro. Vanim-potoana tsy fahita firy ny diavolana fenomanana tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Nidorehitra mena ny volana izay nifanandrify tamin’ny masoandro sy ny tany. Filaharana izay tsy fahita firy eny an-danitra ambony eny. Mifono zava-dalina ho an’ny sokajin’olona mino ny […]




