Nahoraka sy naresaka ny teny Avaradrano, omaly. Nahazo biraon’ny tribonaly sy fonja manara-penitra ny ao an-tanàna. Henin-kaja, henim-boninahitra, ny zanaky ny distrika fa nahavita nanetsika filohan’ny Repoblika. Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika, na tsy mitovy firehana, ny teny an-toerana. Nobaikoin’ny fitiavana ny tanàna nipoirana. Manoloana izany, hita taratra ny fanatanterahana ilay fanapariaham-pahefana […]
Indraimbava
Tsy ahitana vokatsoa
Nahavelombolo ny fahafahan’i Madagasikara nisehatra amin’ny kianjaben’izao tontolo izao, ankehitriny. Tena nahasodoka ny ezaka vita tamin’ny raharaham-bahiny. Nihazakazaka ny fifanarahana ara-bola sy ny tontolon’ny fandraharahana. Betsaka ny vonona hampiasa vola sy hizara ny fahaiza-manaony. Nahakasika sehatra sy sokajin’olona maro izany. Ny vokatra sisa andrasana! Milofo fatratra mitady izay azo […]
Ho an’ny vahoaka
“Ho an’ny Tanindrazana” ny teny filamatry ny Foloalindahy. Miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny tanindrazana izany, ny andrimpanjakana sy ny mpitondra, ny vahoaka sy ny fananany… Tsy hoe “Ho an’ny vahoaka” kosa ve, ohatra, ny teny filamatry ny olom-boafidy? Eny, na izay olom-boatendrin’ny olom-boafidy aza. Ny vahoaka no loharanom-pahefana. Mpindrana […]
Tsy efan’ny irery !
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia maro ny ezaka ataon’ny mpitondra fanjakana ho an’ny sosialim-bahoaka. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa ny tolotra homena, indrindra betsaka ny zary vonjitavanandro fotsiny. Natao hamonjena ny hamehana, hany ka tsy mahavaha ny tena marary. Tsara ny ezaka fa mbola misimisy ny […]
Mila manova fomba fisaina
Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]