Indraimbava

Samia mandinika

  Tsy hay mazava ny tena fandehan’ny raharaha eto amin’ny tanàna. Mandeha tsimoramora eny ny zava-drehetra, raha atao indray mitopy maso. Toa mikatso izany indray anefa rehefa zohina akaiky. Tsy hay intsony ny zava-miseho sy zava-mitranga. Ny fivezivezena etsy sy eroa aloha izao no malaza. Misy aza ny taraiky any […]

Miova vao manova  

Fanovana no hoe imasoana amin’izao? Na fanavaozana… Tsy afa-bela amin’izany ny tontolo politika. Izay tontolo politika izay aza no anisan’ny mahatonga ny krizy politika miverimberina, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Eny, na eo aza ny rafitra, ny lalàna, ny fomba fiasa… Amin’izao hoe fanavaozana izao, misy ny manao adisisika mafy […]

Raha mba mifanaja!  

Manahirana ny zava-miseho, indraindray, rehefa ny olona no tsy vonona ny hihaino sy hifananatra amin’ny tsara. Sarotra ny serasera rehefa tsy ny saina no miresaka fa ny fo sy ny hambom-po diso toerana. Saro-pady anatin’ny fitantanana ny raharaha anaty manontolo iray anefa izany. Indrindra amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Tsy kilalaon-jaza, […]

Ny tody tsy misy!

  Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika olom-bitsy na vondron’olom-bitsy misafidy ny lalana sadasada. Tsy mahagaga izany fa noho ny tombontsoa ifandrori­tana dia misy hatrany ny mpanoha-randrana sy mamadika namana. Tranga mateti-piseho eny anivon’ny fiarahamonina rahateo io tiatiakely sy manao rapadango, tsy mahay izay iafarany io. Mahavelom-bolo ny tsy fisian’ny tsimatimanota. Ma­ha­finaritra […]

Sady tsy hita no tsy vita  

Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana: miasa avy hatrany! Ny fanatanterahana azy no sisa.  Tsy ny kabary ambony vavahady na ny teny midina tsy misy mpitarika anefa no hahavitana izany. Avy any ambony no modely sy fakan-tahaka. Tsy ho sanatrian’ny vava ka mpitari-bato vilam-bava. Efa dila izay ny efa-bolana, tsy […]