Indraimbava

Miandry fahagagana

  Nanaitra sy nahavelombelo ny filazan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa anio dia anio no hisy vahaolana entiny ho an’ny jiro sy rano eto Antananarivo. Iza no tsy ho faly raha nahare izany ? Efa ho lava sy mankaleo tanteraka ny zava-misy iainana. Tena hoe fatiantoka tsy fantiantoka amin’ny seha-pihariana […]

Eo ny vahoaka hitsara

  Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà. Miroso ny fifidianana kaominaly: manakaiky vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ifotony… Mby aiza? Na mba tena izay no mampihazakazaka… Laingalainga, tsy ilaozan’izay misy mahabe resaka etsy sy eroa. Nahoana? Politika no tena manetsika sy manesika ny sasany, fa tsy izay fampandrosoana loatra. Mbola ho azo […]

Mialà amin’ny mahazatra!

  Mila tonga saina Ra-Malagasy! Fa tsy ho vitavita mora ity olan’ny sosialy ity.  Tena difotry ny fahantrana ny mponina. Tsy misy intsony ny kilasy antonony izay tokony ho mpampihodina ny ankamaroan’ny seha-pihariana. Andaniny ny mpanefoefo, mpanontany ny ory. Ankilany ny fadiranovana resin’ny fiainana. Tsy misy afaka ny hilaza ny […]

Mila mifoha

  Firenana iray anisan’ny manana vahoaka tena mahazaka « dona » i Madagasikara. Tsy misy olona mahari-pery mihoatra ny Malagy angamba eto ambonin’ny tany. Asa, noho ny maha Nosy azy ka tsy mba manana olona azo ianteherana. Manana fisaina mitokatokana ka tsy maintsy miaritra na mizaka izay zava-miseho. Maro ny zavatra tsy […]

« Revy » mafia !

  Olam-piarahamonina tsy maintsy sedraina ny mahakasika ny famatsian-drano sy jiro eto Madagasikara. Raha ny tsilian-tsofina heno, mandraiky marary hatramin’ny mpitantana ao amin’ny Jirama. Henjana be ny tsindry sy ny tery avy amin’ny deban’ny tanàna. Tsy maha vazaha ny vazaha ny firaisankinan’ireo Malagasy sasany izay manao volo mpanoha randrana (?). […]