Indraimbava

Manga ny lanitra

  Efa niaraha-nahalala ny fihaonana teo amin’ny Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Azo lazaina fa tsy niova ary mbola manga ny lanitra eo amin’ny firenena roa tonta. Mitohy ny fifanampiana anatin’ny voina, miha mafy ny fifandraisana diplaomatika. Mbola mifanohana sy miara-miasa araka ny lamina ny andaniny […]

Tsy ampy ny fanentanana  

Miroso ny fanadiovana ny tanàna any an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Miavaka raha mitaha ny hatramin’izay ny fiaraha-mientan’ny mponina. Niverina hoazy ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanàna. Miara-mirona ny olon-drehetra. Mi­andahy miambavy. Na zaza na olon-dehibe, samy mitondra ny anjara birikiny manao izay ho afany. Ampy izay ny fifendrofendroana sy ny fitsetserana. Mitaky asa […]

Masa-bary maito kitoza

  Raha ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny vaovao avy any ivelany, hisy ny fihaonana amin’ ny filoham-panjakana malagasy sy ny filoha frantsay, raham­pito. Fihaonana izay be mpanaraka tokoa satria handra­sana izay tapaky ny roa tonta mandritra ny dinika. Niara­han’ny rehetra nahalala rahateo fa ny fialana ambany vahoan’ i “reny […]

Manonga i Madagasikara

  Izao farany herinandro izao no mamita iraka any Frantsa ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny fanavaozana Randrianirina Michaël. Mazava ho azy fa dinikasa mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta ny anton-dia. Ny frantsay rahateo aloha raha ny tantara no reny malala. Tsy mbola tapaka tsara ny tadimpoitra. Tsy mbola […]

Miha matotra

  Azo lazaina fa miha matotra tsikelikely aloha ny fitondrana miandraikitra ny Fanavaozana. Miha mivelatra tsikelikely araka ny nandaminan’ny Filoha sy ny ekipany azy ny zava-drehetra. Ny mampiavaka ireo nahazo toerana amin’izao, mampiseho fiaraha-mientana avokoa mba hanatrarana vokatra iray. Tanjona ny hambaboana ny fon’ny vahaoka malagasy izay efa misy ny […]