Indraimbava

Fahy rano…tsy mety fay

Nahomby indray aloha ny paikadin-tseraseran’ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny olon’ny rano sy jiro eto an-dRenivohitra. Nangingina ny mpitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny mpisintona lakolosy, ary ny mpandrangitra sy ny mpandrehitra afo. Na ny ankamaroan’ny lasibatra aza, mba nanakombom-bava, omaly. Nilokaloka ny hitondra vahaolana rahateo ny mpizaika teny Ambohitsirohitra amin’ny […]

May ambondrona

  Nalaza ny tarika AmbondronA nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanakoako sy niteraka resabe ny fahafenoany ny Coliseum Antsonjombe. Nisy ny nandray izany ho tsara ka manararaotra ny nanao dokambarotra, nampiakarana ny laza. Misy ny namadika ho zava-dratsy, fa mbola nentina hampalaza sy hampiakatra ny mpanaraka eny amin’ny tambajotran-tserasera. […]

Tokotaniben’ny firaisankina

Miroborobo izaitsizy ny diplaomasia malagasy. Ha­tramin’ny kirizin’ny taona 2002, izao vao mipetraka amin’ ny toerana sahaza azy ilay firenena. Tena mipetrapetraka ny paikadin’ny minisitera mpiahy izany. Azo tsapain-tanana ny vokatry ny fahaiza-manao. Ilay minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny angamba no anisan’ireo departemanta vitsy dia visty ahitam-bokany avy hatrany amin’ilay governemanta. Tsy sanatrian’ny vava, […]

Korontana… tombontsoa

  Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao. Tsy takona afenina, tsy ilaozan’ny tahotra sy fanahiana korontana. Mby amin’izay nitai­zan’ny sasany saina hatramin’izay hoe krizy politika mialoha na mandritra ny fifidianana? Sanatria… Misy ny manao vava tsy ambina amin’izany? Ny depiote mpanohitra aza efa niloa-bava tamin’ny fandranitana […]

Ilay anaran-dray!

  Resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny zanaky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo. Nahavariana fa lasa nifantoka be tany avokoa ny seraseran’ny mpanohana fitondrana. Nitabataba sy nanakiana ary nanatsatso ny zava-niseho. Paikadin-tserasera diso amin’ny tontolo politika, indrindra raha mijery ny […]