Indraimbava

Menamena ny sary

  Anisan’ny sehatra iray miroborobo sy mihazakazaka be amin’izao fotoana izao, amin’ny fitondran’ny kolonely Randrianirina Michaël, ny Diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa nivoaka any ivelany indray ny tenany, nanomboka afakomaly. Miezaka ny mamelatra ny fifandraisana amin’ ny firenena hafa, ankoatra ny nahazatra hatrizay. Tsy mihanona amin’ny be kintana sy ny frantsay […]

Ny tody tsy misy

  Mazava aloha ny fizotry ny raharaha manga eto amin’ny Tanàna. Mitohy ny asa sy ny fitokanan-javatra etsy sy eroa. Toy ny nahazatra fony andron’ny loranjy ihany ny andavanandron-dRamalagasy. Miady, mitady izay hohanina. Mirotoroto hatrany mitady vola. Tsy mahagaga moa satria, hatreto, ny olona no niova fa isika mbola an-dalana […]

Ny soa atao …

  Anatin’ny asa fanarenana hatrany ny voina navelan’ny rivodoza Gezani ny Malagasy. Efa mandeha ny tolo-tanana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Efa mazava rahateo ny fitsipi-dalao nosoritan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anatin’ny mangarahara tanteraka ny fitsinjarana sy ny fitantanana ny fanampiana ho an’ny traboina. Tsy hilefitra amin’ny mpandika lalàna […]

Namana aloka

  “Rava iray minitra izay naorina herintaona”, hoy izay mpanoratra iray izay. Fa izay rava iray minitra, mety mila herintaona vao voaarina. Na mihoatra noho izany aza… Izay no maha zava-dehibe ary tena ilaina ny tolo-tanana amin’ny fanarenana ny fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy teto Madagasikara farany teo. […]

Mandeha tsimoramora  

Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy […]