Indraimbava

Izay mitambatra no vato

Tsy hita be ihany ny andraisana ilay fomba fi­sainan’ny Malagasy. Raha manana finiavana ny hila ravi­nahitra na hitondra politikam-pampandrosoana any amin’ny toerana hafa dia voailika. Voalaza fa tsy zana­ky ny faritra na mpanjanaka maoderina. Raha mba manana drafitrasa ao an-tanàna indray anefa dia mpaminany tsy masina an-taniny izao indray! Tsy […]

Valala any an-danitra

Amin’ity herinandro ity, hono, amin’ny herinandro ambony, hono! Asa izay marina fa dia samy manana ny filazany ny olona mahakasika ny ho fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny azo antoka, efa tsy ho ela satria eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika. Izy izay tompon’ny teny farany amin’ny zava-drehetra. Raha ny tsilian-tsofina re, anatin’ny […]

Asa… anamarinan-toerana

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no […]

Tena mafy ny ady !

  Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy maha­sakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]

Aia koa ro ahita ?

  Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra. Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny […]