Iarahantsika rehetra mahalala ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, namango an’i Madagasikara. Nahery ny fiantraikany teto an-tanàna. Maro sy mavesabesatra ihany ny faharavana navelany ho an’ny vahoaka malagasy. Potipotika ny tanàna, tsy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, fa nahazo hatrany amin’ny faritra samihafa nolalovany. Raha ny tao Atsinanana […]
Indraimbava
Fiaraha-mientana
Tena nanao ny nataony ny rivodoza farany teo. Sasatry ny miarina ny firenena ao anatin’ny faritra iforonana sy andalovan’ny rivodoza, saika isan-taona. Na izany aza, tsy atao hahakivy na handreraka ambony ihany izany: tsy maintsy atrehina, iomanana mialoha hatrany. Mby amin’ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Efa […]
Tsy ho lelon-jaza
Nivoaka tamin’ny fahanginany indray aloha ilay bokotra dimy, nesorina tamin’ny toerany iny. Nilaza fa efa tadiavina sy ho samborina izy, hono! Tsy hay intsony izy ity fa dia hilalao fangala-piery eto indray isika mianakavy. Hiverina amin’ny fiandohany ny tantara raha ny tian’ny sasany hatao sy haverina eto amin’ny tanàna. […]
Fiainam-bahoaka
Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Amin’ity hoe fanovana na fanavaozana… Na efa misy fihatsarany aza, ohatra, ny famatsian-jiro, tsy mbola tena mahafa-po. Misy faritra sasany tena mbola mampitaraina ny mponina ao an-toerana. Ny rano indray, tsy misy fiovana firy : tapatapaka, maloto, misy fofona… Tsy hita be ihany […]
Sorona tsy amin’ny antony?
Manamarika ny datin’ny 7 febroary, anio, ny mpanohana ny fitondrana teo aloha. Asa hanao ahoana ny ho endriky ny fahatsiarovana, ao anatin’izao fanavaozana izao. Sanatrian’ny vava ho very anjambany na ho raraka an-tany ny ra nalatsak’ireo namoy ny ainy? Ny olona naongana sy nahafaty tamin’izany manko izao no miaraka […]




