Indraimbava

Hafa ihany ny milamina

  Hay tan-dalàna ihany Ramalagasy rehefa mihenjana ny mpitondra. Manomboka mahavelombolo ny mivezivezy ao afovoan’ny tanànan’Antananarivo. Vao nesorina sy nafindra toerana ny mpivarotra amoron-dalana sasany dia efa misosasosa sy migodana ny arabe. Mba mihena ny fitohanana izay sady mahasorena no mahavery fotoana. Hita ho miha mazava izany ny tanàna, milamindamina […]

Fitondran-tena

  Hanao ahoana ihany ity hoe sosialim-bahoaka? Na ny fiainam-bahoaka, ny maha olona… Iray amin’ireo andry telo iankinan’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-pitondrana izao izany. Ho hita eo ny atao sy izay ho vita amin’ny fanamby sy fampanantenana. Tsy maintsy mandroso amin’ny fanatanterahana asa. Mbamin’ny hoe midina ifotony, mamaha olana, misy vokatra […]

Tonon’andro hanavaozana

  Hanomboka ny alatsinainy izao ny asa mafy ho an’ny zaza malagasy, satria hanomboka ny fanatanterahana ny fandaharam-pianarana. Hiditra tanteraka anatin’ny taom-pianarana sy ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana ny mpianatra. Samy miezaka manao izay ho afany, handehanan’ny zaza any an-tsekoly ny ray aman-dreny. Raha ny zava-misy dia hifandrombahana ny mandefa ny […]

May ny tanàna !

  Mirongatra ny haintrano amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy. Maro ireo lasibatra sy rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Lasa lavenona ny fihariana tanatin’ny taona maro. Foana avokoa ny an-tanana. Matetika nefa, tsy manana tahiry na antoka ny lasibatra. Fadiranovana anaty vanim-potoan’ny maitsoahitra. Izay indrindra no olana ho an-dRamalagasy. Tsy […]

Politika mila ovaina

  Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina? Toa mifampiandriandry be ihany ny rehetra. Tsy firy no efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Eo koa ny fitarainan’ny manam-pikasana hirotsa-kofidina sasany etsy sy eroa: sarotra ny fahazoana ny taratasy toy ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny taratasy fitanisan-keloka, ny fanamarinana ny […]