Indraimbava

Tsy mahazo miverina

  Anisan’ny nampanontany tena ny maro tamin’ny hetsi-bahoaka ny amin’ny fiverimberenan’ny krizy poli­tika: tsy mahafa-bela, tsy mampandroso, mampahantra… Anton’ny fanavaozana ifotony. Mila fiaingana vaovao. Mba tsy ny eo ihany no haverina na miverimberina amin’ ny rafitra, lalàna, fomba fiasa… Izay no efa nahavoa sy nahasasatry ny miarina hatramin’izay; eny, na […]

Mahaiza serasera

  Teboka iray tokony hataon’ny fitondram-panjakana mijoro amin’izao fotoana izao ny fanamafisana orina ny seraserany. Io matetika no fositra teo amin’ny miaramila taloha, indrindra ireo mbola mitapikitra amin’ny naha­zatra. Noheverina fa ny fahanginana no hery ho azy ireo. Nosokajina ho tsy laharam-pahamehana mihitsy ny firesahana na fisokafana. Fahamalinana sy maha matiha­nina […]

Entan-jaraina

  Raha ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, iaraha-mahita fa mandeha ny asa rehetra eny ifotony amin’izao fotoana izao. Mandeha ny fitokanana isan-karazany ary efa hita taratra ny fifampizarana andraikitra amin’ny ekipa rehetra. Samy efa mandray faritra samihafa ny mpanolotsaina ambony, arakaraka ny andraikitra sahaniny. Izay ilay entan-jaraina mora zaka tokoa. Marihina anefa […]

Mbola maro ny ezaka

  Niteraka resabe teny amin’ny fiarahamonina ny fanafoanana sahady ny fanendrena ny tale misahana ny fandraisana fitarainana, kolonely Patrick no ahaizan’ny maro azy. Toraka izany koa ny fanesorana talem-paritra maromaro ao anatina faritra iray. Manontany tena ny mpanara-baovao raha lesoka tamin’ny fandraisana azy ireo no nahatonga izany na vokatry ny […]

Mendri-piderana

  Migadra aloha ingahy bekintana iny. Migadra ihany koa ny tanan-kavanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Any mandritra ny fotoana tsy mbola hay satria miandry datim-pitsarana sy fivoaran’ny raharaha politika. Fanohintohinana ny fiandrianan’ny fanjakana sy fampirisihana fanakorontanana moa no vesatra. Tsy maintsy misalotra ny sata gadra politika indray izy ireo. […]