Indraimbava

Mety ho lasa lavitra

  Samy manana ny fandraisany sy ny fandrefesany ny fahombiazan’ilay fitondrana ny isam-batan’olona. Misy ny mandokadoka mafy sy resy lahatra fa tena manao ilay fanjaka-miaramila. Sanatrian’ny vava, avadiky ny sasany ho fisolelahana diso tafahoatra aza. Tena toraka voninkazo tsy misy tahaka izany. Miedinedina mihitsy ho mahavita zavatra. Etsy ankilan’izay, tsy […]

Ny tena ihany no antony

  Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Fitakiana zo fototra no mahatonga ny fanovana fitondrana. Lehibe sy voalohany ary maika ny amin’ny famatsian-jiro sy rano. Mby aiza? Efa mba misy fihatsarany ahay ny famatsian-jiro, na tsy mbola mahafa-po aza. Tsy hita be ihany kosa ny amin’ny famatsian-drano: toa arakaraka ny […]

Fanovana toe-tsaina  

Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra […]

Mila miasa

  Mahazo vahana ny fanakianana mialoha ny fotoana, an­kehitriny. Zary lasa toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy sasany ny fifanomezan-tsiny tsy amin’ny fotoany. Manavanana kokoa ny fisainana miiba noho ny fahavononana ny hanatsara. Mazana ny fanenjehana mamaivay no manjaka. Hadino ny mombamomba ny fifanohanana sy ny fifampitarihana mankany amin’ny tsara. Toe-tsaina miiba […]

Miandry fahazavana

  Tafavoaka tsikelikely aloha ny fanavaozana tian’ny fitondrana hatao mahakasika ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Nivaly koa ny fitakiana sy fangatahan’ny mpiasa amin’ny fanesorana ilay tale jeneraly vazahabe tao. Miova andriana, miova sata, hoy ny fitenenana. Aleo amin’izay kosa mba efa Jiramam-Pirenena toy izay Jiramaty, araka ny filazan’ny mpanjifa […]