Anio amin’ny misandratrandro no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Andrasana izay ho mpandresy ka hisandratra, handrombaka ny amboara nimatimatesana. Efa maromaro ihany ny kandidà lany teny amin’ny Ceni, no tazana eny an-kianja rehetra eny, ary efa misalotsalotra ny maha depiote, voafidim-bahoaka, azy. Asa hanao […]
Indraimbava
Tsy mahantra ny Malagasy
Mihanoka tanteraka anatin’ny asaramanitra Ramalagasy. Fety aman-danonana natokana hanamarihina ilay fahaleovantenan’ny firenena, feno 64 taona. Fiaraha-mikoragna sy mifaly manerana ny tanàna. Hanadinodinoina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-batan’olona. Mahavariana ny mahita ny ankamaroan’ny olona manjifa ny tolotra fialamboly etsy sy eroa. Mifanitsakitro manerana ny tsena. Mipetraka ny fanontaniana: mitombona ihany ve […]
Marin-toerana… mandroso
Hanao ahoana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny amin’ny fifidianana depiote? Raha ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni: mahazo toerana 81 eny Tsimbazaza ny Irmar, 55 ny an’ny tsy miankina, 22 ny vondrona Firaisankina, efatra Fivoi, iray Kôlektifa an’ny Malagasy. Mety hisy ve ny fahagagana? Na fitsimbadihan-javatra amin’ny fotoana farany… Hanao […]
Hambom-po
Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy! Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. […]
Samy amin’ny adiny
Andaniny, nangingina ny mpanao politika tao anatin’ny andro vitsy izay. Samy maka saina sy mikononkonona ny paikadiny manokana mialoha ny vokatry ny HCC. Na ireo avo feo sy ny tsy manaiky resy mora foana aza efa samy nanakombom-bava. Ny fifampiangana madinidinika sy ny fifampihantsiana ankolaka no mandeha any ambadika […]