Indraimbava

Fanovana… ifankahazoana

  Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vaho­aka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantrai­kany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo […]

Tsy moramora fa maromaro  

Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no malaza amin’izao? Amin’izay tenenina sy atao io. Hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany ny hoe fifanatonana, fifampiresahana, fifanarahana… Fanovana ilaina koa izay. Mila amolahan-tena, ifampitaizana, ampitoerina… Tsy efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa koa fa tsy nahombiazana, tsy nifampitokisana, nanotrika alahelo anaty… […]

Tany misy fanjakana

  Ny ankizy, hono, no tia tsapa fatana, ny lehibe no tia tonotono. Hanao ahoana ihany ny amin’ny fandaminana sy filaminana eny ifotony ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fisian’ny hetsika etsy sy eroa amin’ny fanalana na fanoloana ben’ny Tanàna na lehiben’ny Fokontany. Manjary misy fifanaovana ankolafiny […]

Miandriandry manana entina

  Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. […]

Miova vao manova

  Fanovana sy fanavaozana no hoe (h)atao amin’izao? Na fanorenana ifotony… Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Misy entim-pahazarana amin’izay lazainy sy ataony. Ahoana no hisian’ny fanovana amin’izany? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vao na mihavao no afa-kanavao. Aiza ho aiza? Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny mpanao […]