Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana: miasa avy hatrany! Ny fanatanterahana azy no sisa. Tsy ny kabary ambony vavahady na ny teny midina tsy misy mpitarika anefa no hahavitana izany. Avy any ambony no modely sy fakan-tahaka. Tsy ho sanatrian’ny vava ka mpitari-bato vilam-bava. Efa dila izay ny efa-bolana, tsy […]
Indraimbava
Manga ny lanitra
Efa niaraha-nahalala ny fihaonana teo amin’ny Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Azo lazaina fa tsy niova ary mbola manga ny lanitra eo amin’ny firenena roa tonta. Mitohy ny fifanampiana anatin’ny voina, miha mafy ny fifandraisana diplaomatika. Mbola mifanohana sy miara-miasa araka ny lamina ny andaniny […]
Tsy ampy ny fanentanana
Miroso ny fanadiovana ny tanàna any an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Miavaka raha mitaha ny hatramin’izay ny fiaraha-mientan’ny mponina. Niverina hoazy ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanàna. Miara-mirona ny olon-drehetra. Miandahy miambavy. Na zaza na olon-dehibe, samy mitondra ny anjara birikiny manao izay ho afany. Ampy izay ny fifendrofendroana sy ny fitsetserana. Mitaky asa […]
Masa-bary maito kitoza
Raha ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny vaovao avy any ivelany, hisy ny fihaonana amin’ ny filoham-panjakana malagasy sy ny filoha frantsay, rahampito. Fihaonana izay be mpanaraka tokoa satria handrasana izay tapaky ny roa tonta mandritra ny dinika. Niarahan’ny rehetra nahalala rahateo fa ny fialana ambany vahoan’ i “reny […]
Manonga i Madagasikara
Izao farany herinandro izao no mamita iraka any Frantsa ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny fanavaozana Randrianirina Michaël. Mazava ho azy fa dinikasa mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta ny anton-dia. Ny frantsay rahateo aloha raha ny tantara no reny malala. Tsy mbola tapaka tsara ny tadimpoitra. Tsy mbola […]





