Mahoraka eto an-tanàna ny fahatongavan’ny vahiny marobe eto Madagasikara. Samy somebiseby ny olon-drehetra na ny faly na ny tsy faly. Anisan’ny miteraka ady hevitra sy mampizarazara ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Misy filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana miisa dimy tonga eto an-tanàna fa dia izy irery […]
Indraimbava
Tonga vahiny!
Madio ny tanàna amin’izao? Milamina, tsy misy tabataba … Mahate honina fa tsy hoe lalovana fotsiny. Handray vahiny! Zava-dehibe eo amin’ny lafiny politika, toekarena, sosialy… Eny, na ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny fandraisana vahiny ihany aza, tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra. Izay no nihetsehana sy nifanomezan-tanana. Vidin-kaja, vidim-bonahitra. […]
Mpandresy
Raha amin’ny finoana kristianina dia miditra anatin’ny vanim-potoan’ny fandresena miezinezina isika zanak’olombelona, manomboka anio. Hanamarika ny fitsanganan’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny fetin’ny Paka na Paska ny mpino maneran-tany. Raha ho an’ny eto Madagasikara aloha, tena fety miezinezina izany. Mitobaka ny zava-pisotro, tsy tambo isaina ny fety aman-danonana. Anisan’ny fotoana […]
Simba tanteraka
Tena efa tsy mifidy satam-piarahamonina na sokajy, maha lahy na maha vavy, ny fanaovana herisetra, ankehitriny. Ny tena zava-doza, ankoatra ny ratram-po ateraky ny teny, mivadika ho fikasihan-tanana mahery vaika, mihatra aman’aina ny zava-miseho. Zary fomba amam-panaon’ny olona ity mifamono tsy misy antra ity. Moramora ho an’ny sasany ny […]
Fitandremana hatrany
Lalam-piainana tsy maintsy izorana ny fahafatesana. Maromaro anefa tato ho ato ny tranga namoizana ain’olona amin’ny fomba feno habibiana. Betsaka ny tranga tampoka loatra. Maro no niala ny trano hikarama tsy niverina intsony miaraka amin’ny ainy. Tsy vitsy ny niharan’ny ankasomparana sy ny fisotasotana ka niharan’ny vono olona ankitsirano. […]