Nahoraka tato ho ato ny vaovao mahakasika ny fampihavanana sy ny fiaraha-mitantana. Izany dia tafiditra amin’ny zotra apetraky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin’i Madagasikara sy ny mpitondra. Tafiditra anatin’izany ny ho fananganana governemanta iraisana, ahitana ny ankolafin-kery rehetra. Hahazo ny anjarany ny mpanohana ny fitondrana izay naongan’ny fanavaozana ankehitriny. Efa […]
Indraimbava
Fahavetavetana ny fiainam-panahy
Somary nangingina tato ho ato ny zaza sy ny olon-dehibe very. Ny hita sy ny mody ho azy izao no maro an’isa. Nahomby ny fotoam-bavaka natao tetsy Analakely, nandroahana ny devoly nakany ivelany. Maika manaporofo izany ny fahasahiana nataon’ny fitsarana nisava sy nanagadra ireny olona anatin’ny fikambanana miafina ireny. […]
Manolotra ny ainy
Nahoraka, omaly, ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mamono tena izy miady amin’ireo mpambotry firenena. Anisan’ireny ireo mpandraharaha goavana, manao ampihimamba ny harem-pirenena sy fitazomana ny sehatra iankinan’ny ain-dehiben’ny Malagasy. Raha tsiahivina, tapitra omaly ny fe-potoana nomeny ny Enelec, amin’ny olan’ny jiro sy rano amin’ny faritra izay hiasan’izy ireo. Aiza […]
Kolikoly mankaloiloy
Hanomboka avokoa ny fifaninanana fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana. Mivoaboaka avokoa ny datim-panadinana amin’ny sokajy isan-karazany. Ny ao amin’ny Hery fiarovana, ny mpitsara, ny paositra, ny fanabeazana, sns. Manginy fotsiny ny fandraisana any anatin’ny minisitera izay tokony ho an’ny daholobe, indrindra ireo tanora nitolona ho an’ny fanavaozana, niady ny mangaraharaha […]
Miorim-paka lalina
Mazava aloha, ankehitriny, ny zava-drehetra ho an’ny fitondrana Fanavaozana, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maka faka tsara i Madagasikara manoloana ny firenena vahiny. Miroborobo izay tsy izy ny diplaomasia. Tsapa sy azo tsapain-tanana izany, aty Afrika sy ny firenen-dehibe maro. Azo lazaina ho afaka teo ambany vahohon’ny firenen-dehibe tokana na […]




