Indraimbava

Vanim-potoana fandinihan-tena

Mangingina indray aloha ry zalahy mpanao politika, te hatao hoe akaikin’ny raiamandrenibe eto amin’ny firenena. Tsy henoheno ny FFM sy ny VFM, ny KMT sy ny Kfir. Tena mahararakivy mihitsy ny zava-misy. Tsy mbola nisy tahaka izany aloha teto Madagasikara, tao anatin’ny 60 taona. Ny an’ny olona, mitambatra na mifamototra […]

Vanim-potoana hisainana lalina

  Tsy araka ny ambana, niravona ny olana mahakasika ny fiantsonan’ny fiara fitaterana mankany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nilefitra ny mpitokona! Samy nifindra eny Amoronakona. Izay ilay hoe ny isavorovoroan-kilantoana. Vahoaka efa tsy tia korontana rahateo ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mila fitoniana sy mila seha-pihariana milamina. Iaraha-miaina rahateo ny […]

Mitaky firaisan-tsaina 

  Mba aza voany ihany! Rehefa mihenahena aloha amin’izao dia mahita faisana. Tahaka ny mamofopofona “avereno” indray ilay raharaha manga. Ohatra ny hataon’ny sasany tetezana hiverenan-dalana ilay izy. Aiza koa fitakiana sosialy, mivadika faty olona. Na inona na inona lazaina misavorovoro ny eto an-tanàna. Porofo mivainga ilay mivoaka miditra amin’ny […]

Manahirana, manalasala

Manahirana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbetika namako, mbetika fahavaloko. Ny tena zava-doza, maty fanahy ilay Malagasy manao politika. Simba amin’ny kajikajy maloto ilay soatoavina sy fomba fanaovana politika. Na ny mpinamana mihinana ny manta sy ny masaka aza tena mifamorika rehefa tena ilaina ny misara-dalana. Mandefona ivoho izany efa […]

Tsy misy afa-bela

Hatramin’izao, manahirana ny mpahay fiarahamonina sy ny mpahay toetra amam-pihetsiky ny olombelona ny fisian’ny fihetsika tsy ahoan-tsy ahoana any amin’ny firenena hoe faran’izay mandroso: famonoan-tena, fitifirana olona faobe, fandoroana fiara na trano… Nefa tanora tsy manana olana eo amin’ny fiainana, mianatra na miasa milamina… Mahavita zava-doza tampoka? Noho ny famoizam-po, […]