Indraimbava

Asa haingana mivaingana

  Tafajoro ny governemanta vaovao? Arahaba soa, arahaba tsara…Hanao ahoana? Eo amin’ity fomba fiasa, ny asa ho vita… Mazava ny Politika ankapoben’ny fanjakana, in­drin­dra ny fandaharanasa fanatanterahana izany. Asa izao, asa… Tsy vita indray andro, tsy vitan’ny fampanantenana, tsy vitan’ny fahazoana na fahafenoana toerana… Nefa ny mpitondra no manjaka dia […]

Mila sahy

  Efa mandeha sy miparitaka ny lalàna mifehy ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa mila vonombonona avokoa izay te hilatsaka hofidiana. Fotoana izao hanombohan’ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony. Indrindra ho an’ny tanora na lahy na vavy. Zava-dehibe ny fahasahiana mamaky lay. Mila zatovo vonona sy vanona ny taninjanaka. […]

Tsy azo atao tandrevaka

  Roa volana izao no nanjavona tsy hita ny Lehiben’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita popoka ilay ranamana izay noheverina fa niangaran’ny vintana sa tena nanam-bintana raha samy tandapa. Tsy misy vaovao ofisialy momba azy kanefa dia vanim-potoana tena ilana azy indrindra izao. Lasa mihazoazo ilay fitantanana ny […]

Ho lalao henjana !

  Raha mahoraka ny fananganana governemanta, tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Mbola malaza ho “favori” ny antokon’ny filoha teo aloha na ny Tiako i Madagasikara. Porofon’izany ny nahazoan’izy ireo toerana maromaro teto anivontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy midika […]

Olona olana

  Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, […]