Indraimbava

Tsy ho very mandeha

Niherina sahady ny taona. Migadona ny Krisimasy na ny Noely. Afaka herinandro dia hivalona tanteraka ihany koa ny taona 2025. Nivadika tanteraka ny fiainan-dRamalagasy. Niova ny rivotra politika niampitany any amin’ny fanovana mpitondra. Nirodana ny loko volomboasary taorian’ny 16 taona nitondran’ny filoha Rajoelina Andry. Niverina ny tantara ho an’i Madagasikara. […]

Sarotra atao ilay Gasy

Manahirana, tsy hita be ihany ny andraisana ireto vahoaka malagasy tsimandadiharona ireto. Toa mila voatsiary amin’ izay zava-miseho. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mbola mimenomenona ihany ny ankamaroany. Tsy mahay mankasitraka kanefa tsy mandray andraikitra ny ankamaroany. Ny tsy manao ihany koa moa no mimenomenona. Raha ny zava-misy […]

Samy tompon-draharaha

Tsy fanovana no hoe atao amin’izao fa fanavaozana. Miainga amin’ny efa eo izany, manatsara ny efa misy. Na izany aza, ifotony ihany ny fanavaozana: fanadiovana, fandaminana, fanatsarana… Misy milaza, ohatra, fa raha fanadiovana, miainga avy any ambony; raha fanorenana, miala any ifotony. Tena vonona ho amin’izany ve? Indrindra ny mpanao […]

Mahaiza mifety

  Hilaharana tsy misy ohatr’izany ny toeram-pizarana vola ho an’ny mpandray karama volana desambra. Ny faha-10 ny volana lasa teo no efa nanomboka nandray ny anjarany ny mpiasam-panjakana. Lasa aloha be tokoa satria mba anisan’ireo maika handeha hiala sasatra ihany koa ny mpanamboatra karama. Fety ny andro, maromaro ny fandaniana […]

Nivadika ny rasa

  Tsy hay intsony izay fizotry ity raharaham-pirenena ity.  Hafa ny lazain’ny vava, hafa no tanterahina. Mivadika ho mpitari-bato vilam-bava ny ankamaroan’ny mpahazo seza. Izay tsy nahazo mbola mitatatata, milaza ho voafitaka. Miaka-pofona ka efa milaza hanongana indray. Ny henjana aza efa mahita izay manahy koa ny ainy. Tena mampametram-panontaniana, […]