Indraimbava

Mandeha tsimoramora  

Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy […]

Tsy fotoan’ny fanararaotana

  Iarahantsika rehetra mahalala ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, namango an’i Madagasikara. Nahery ny fiantraikany teto an-tanàna. Maro sy mavesabesatra ihany ny faharavana navelany ho an’ny vahoaka malagasy. Potipotika ny tanàna, tsy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, fa nahazo hatrany amin’ny faritra samihafa nolalovany. Raha ny tao Atsinanana […]

Fiaraha-mientana

  Tena nanao ny nataony ny rivodoza farany teo. Sasatry ny miarina ny firenena ao anatin’ny faritra iforonana sy andalovan’ny rivodoza, saika isan-taona. Na izany aza, tsy atao hahakivy na handreraka ambony ihany izany: tsy maintsy atrehina, iomanana mialoha hatrany. Mby amin’ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Efa […]

Tsy ho lelon-jaza

  Nivoaka tamin’ny fahanginany indray aloha ilay bokotra dimy, nesorina tamin’ny toerany iny. Nilaza fa efa tadiavina sy ho samborina izy, hono! Tsy hay intsony izy ity fa dia hilalao fangala-piery eto indray isika mianakavy. Hiverina amin’ny fiandohany ny tantara raha ny tian’ny sasany hatao sy haverina eto amin’ny tanàna. […]

Fiainam-bahoaka

  Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Amin’ity hoe fanovana na fanavaozana… Na efa misy fihatsarany aza, ohatra, ny famatsian-jiro, tsy mbola tena mahafa-po. Misy faritra sasany tena mbola mampitaraina ny mponina ao an-toerana. Ny rano indray, tsy misy fiovana firy : tapatapaka, maloto, misy fofona… Tsy hita be ihany […]