Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no […]
Indraimbava
Tena mafy ny ady !
Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy mahasakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]
Aia koa ro ahita ?
Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra. Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny […]
Tompom-pahefana
Mamita iraka any ivelany ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mihazakazaka ny fifanatonana amin’ny samy afrikanina. Omaly no nifarana ny fitsidihana tany Guinée Bissau. Raha ny voandalana, indrindra amin’ny sehatra diplaomatika aloha dia tena mahavelombolo. Manginy fotsiny ny tombom-barotra amin’ny serasera sy fampahafantarana an’i Madagasikara. Any Angola […]
Mila fanasitranana
Ao anatin’ny fotoam-pitsarana ny fanadinana bakalorea ny mpampianatra sy ny tomponandraikitra ankehitriny. Asa hanao akory ny taham-pahafahana manoloana ny olana sosialy isan-karazany izay sedrain’ny tanora malagasy ankehitriny. Betsaka ny hodidina sadasada, indrindra ny lafiny sosialy. Ankoatra ny sedram-piainana, mainka manampy trotraka ny firongatry ny zava-mahadomelina. Sehatra iray, ilàna fandraisana […]