Indraimbava

Lavitra andriana

  Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano. Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy […]

Tomponandraikitra feno  

Vao misintakakely ny renivohitra dia miova tanteraka ny zava-drehetra. Tsy misy aloha hatreto raha ny lalam-pirenena miala an’Antananarivo ka mampazoto ny handeha ami­ny. Tena ny lavaka sy ny fota-drevo no namana. Mihon­tsakontsana tsara ny tsinay, ny aty, vavony. Manginy fotsiny ny fahasimban’ny fitaovam-pitaterana. Raha atao indraimbava dia faharavana tanteraka. Ny […]

Be ny vokatra

  Mitobaka manerana ny tsena ny karazam-bokatry ny tany sy ny rano. Tena varo-boba manerana ny tsena izany legioma sy voankazo izany. Dakan’ny “alika”, araka ilay fiteny hafahafa mahazatra an-dRamalagasy ny mahakasika azy ireny. Misy higalabonana tokoa, indrindra ho an’ny tsy tia hena. Ny hazandrano izany dia tena maro isafidianana […]

Tsy ho kivorivory fahatany  

Anio ny andro malaza voalaza fa hanombohan’ilay fikaonandoha. Mikaondoha sy mivorivory ny nahazo fanasana izay voalaza fa solontenan-dRamalagasy tsivakivolo. Ambohi-pihaonan’ny manam-pahaizana sy ny “manam-panahy”, eo ambany fitarihan’ny FFKM. Toy ny mahazatra aloha dia miangona amin’ny toerana iray, fa izay ho vontoatiny no hirariana hitondra soa ho an’ny firenena. Raha mijery […]

Patsa iray tsy omby vava

  Maro ny trangam-piarahamonina miseho eto amintsika. Misy loza tsy nahy, maro ny iniana natao. Lasibatra tsy satry ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona. Maro ny patsa iray tsy omby vava, izay vidian-dafo na mihatra aman’aina. Betsaka ny olona mahita faisana tsy fidiny. Mahonena sy mampalahelo ny vokany. Maro ny mahavaky […]