Mahavelombolo ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Taorian’ny adilahy, io fa misokatra ny varavaran’ny fampihavanana. Hanao rodobe aty indray ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc. Efa mipetrapetraka ny ekipa, daty fiaingan’ny sidina sisa dia higadona aty ifotony, hizaha ny zava-misy marina izy ireo. Ny eto an-tanàna […]
Indraimbava
Manomboka sahady
Manahirana ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny firenena, ankehitriny. Raha noheverina fa hamaha olana ilay fahazoana filoham-panjakana vaovao dia nivadika ho zavatra hafa tanteraka aloha hatreto. Rafitra tsy misy fototra, fitondrana miorina sahady anatin’ny zavatra tsy dia milamina loatra. Mitady hitohy ny fanjakan’ny Baroa. Ny te hiasa miasa, […]
Mila jadona
Sambany ! Dimy mirahalahy be izao ny filoham-panjakana malagasy manomboka, omaly. Tafapetraka ny Komitim-pirenena miaramila sy sivily hoentina manarina an’i Madagasikara. Raha ny isa nambara ao anatin’ilay rafitra aloha dia mahavelombolo satria dia taratry ny fitsitsiana tokoa. Tsy hirobaroba ny mpitondra, hanao izay hanodinana ny raharaha. Ny zava-dehibe aloha, dia […]
Mila vonona
Vita aloha izay ny dingana heverina fa mafimafy ho an’ny mpidina an-dalambe. Tapitra ny an-kitifitifitra sy ny fanenjika ary ny an-kiafinafina. Fotoana izao ho an’izay sahy: sahy hanolo-tena handray andraikitra tsy misy fitiavan-tena, sahy hanova tanteraka, sahy ahafoy fotoana, sns. Raha ny vinavinan’ny tanora Gen Z aloha, andrasana izay […]
Am-bavam-pihaonana
Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy […]




