Misy kisarisary hafahafa, toa mampidonaka, ilay resaka voka-pifidianana. Sanatrian’ny vava, mijabaka amin’ny asan’ny sasany. Tsy hiseho mahay alohan’ny tompony. Amin’ny maha mpisintona lalokosy anefa, mahatsapa ho manana adidy amin’ny fizarana ny ahiahy tsy hihavanana. Iarahan’ny rehetra mahita ny fivoaran’ny fikirakirana ny vaovao. Efa mivoaka tsikelikely ny fitsimbadibadihan’ny isa azon’ny […]
Indraimbava
Politika mampahantra vahoaka
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona: fiainam-bahoaka, sosialim-bahoaka. Tena mba tsaroan’ny ain’ny vahoaka ifotony hoe misy fihatsarana ahay ny fiainany andavanandro? Eo amin’ny fandriampahalemana, vidim-piainana, asa ivelomana… Ady amin’ny fahantrana raha ny marina. Ny fahantrana no fototry ny ratsy rehetra? Anton’ireo olana fototra ireo izay, nefa […]
Mahantra fisainana
Vita izay ny resa-pifidianana, hivalona ny herinandro. Ny vokatra sy ny ho fiantraikan’izany amin’ny politika no sisa andrasana. Iaraha-mahalala rahateo fa misy ny faritra izay manomboka mihetsiketsika, manohitra ny heverin’izy ireo fa tsy rariny. Nisy ny nandoro biraom-panjakana. Maro ny efa mimenomenona sy mitady hirika na ny mpanohitra na […]
Fotoana hieritreretana
Hafahafa ihany ho an’ny fitondrana ny vokatry ny fifidianana vonjimaika mivoaka, ankehitriny. Maro amin’ny faritra eto Madagasikara no mitarika ny avy amin’ny mpanohitra sy ny mahaleo tena. Any amin’ny laharana faharoa na fahatelo ny kandidà natolotry ny antoko sy ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika. 24 ora taorian’ny latsabato no […]
Mifoha sy miofo
Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho solombavambahoaka, manerana ny Nosy, omaly. Nilamina ny zava-drehetra tamin’ny ankapobeny. Tonga ara-potoana ny ankabeazan’ny fitaovana nentina niasa. Toraka izany ny mpiantsehatra rehetra teny anivon’ny birao fandatsaham-bato. Afaka niasa ny solontenan’ny kandidà. Mazava ho azy fa izay afaka nanakarama « delege ». Ity farany izay […]