Indraimbava

Fanavaozana tena izy

  Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra, indrindra ny hala-boty sy ny sinto-mahery. Nanaitra ilay tranga teny amin’ny tsenan’Anosibe, nisehoana fisintomana poketran’olona eny ambony scooter. Tsy nanampo fa very tanatin’ny indray mipi-maso ny fianarana. Tsy afaka nanao na inona na inona. Ny nanamarika ilay tranga, ankoatra ny fandrobana dia […]

Tena fanovana no atao

  Fanavaozana, fanovana… Hatramin’ny politika izany, ny fomba fanaovana politika… Tsy ny mpanao politika ve, ohatra, no anisan’ny mahapotika ny firenena sy mam­pahantra ny vahoaka? Fototra sy fositra mahatonga ny korontana politika lava miverimberina. Nanomboka tamin’ ny fametrahana rafitra sy lalàna ho amin’ny tombontsoan’ olom-bitsy, ny elanelana be eo amin’ny […]

Rano sy loto

Tsy vita hatreo akory, mbola hijohy ny orana, saika manerana ny tanàna maro, manerana ny Nosy. Efa mahazo ny anjarany, mihoatra ny mety ny eto an-dRenivohitra. Mahazo ny sahaza azy ny any amin’ny faritra. Mila mitandrina amin’ny fiakaran’ny rano, araka izany, ny zanakolombelona. Tena nampihantain-janahary tanteraka. Migalabona aoka izany ny […]

Alao hery!

  Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no atrehina izao, tsy maintsy atao. Izay no hetaheta sy fitakian’ny vahoaka. Tena atao? Mba tsy hiverimberina intsony ny korontana politika. Taloha, tamin’ny taona 1992 sy 2010, ohatra, nisy ihany ny hoe fikaonandoham-pirenena. Nidona tamin’ny rindrina? Matoa miverina ihany ny krizy politika, toa mafy […]

Lavitra andriana

  Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano. Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy […]