Indraimbava

Tsy mbola mahazo kivy  

Manomboka ny volana farany amin’ity taona 2025 ity. Hivalona anatin’ny fiovan’ny mpanao politika izy raha ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Nahazo mpitondra fanjakana sy fomba fanaovana politika vaovao hoenti-miampita any amin’ny taona 2026. Vanim-potoana hanaovana jery todika rahateo izao ka asa miiba sa miabo ny antsika mianakavy. Raha […]

Tsy vita ho azy

  Volana vaovao izao… Andro isaina sisa dia ho tapitra ny roa volana. Fanamby nomena ny governemanta ho amin’ny fanavaozana izay. Mby aiza? Na mba efa misy dingana vita ahay… Tsy inona fa ny amin’izay tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka. Izay antony fototra mahatonga ny hetsiky ny tanora, nampian’ny mpiasa sy […]

Miara-miova… hanova

  Saika foto-dresaka amin’izao ny hoe fanovana? Raha vao trangan-javatra tsy araka izay iheverana azy: izany ve ny hoe fanovana? Manara-maso ny olona, sarotiny, tsy manaiky lembenana… Amin’izany, ambenti-teny ny hoe fanovana toe-tsaina. Mby aiza? Eo indrindra izao… Ny zava-misy iainana ve no manova ny toe-tsaina sa ny toe-tsaina no […]

Mbola miandry

  Mbola misangodinkodina be, tsy hita hoe ahoana marina ity raharaham-pirenena ity. Samy mandray izay tiany handraisany izay miseho ny olom-pirenena. Hatreto tokoa anie tsy hay hoe Tetezamita sa Repoblika?  Fanina mihitsy aloha raha tsy mbola mahay ny hodidina politika eto amin’ny tanàna. Mila maharaka tantara mihitsy mba tsy ho […]

Miovaova ny sary!  

  Asa re rey olona na mizotra mankaiza ity fitantanana firenena ity? Raha olon-tsy mahay raha amin’ny politika sy ny kajikajy mifandraika amin’izany dia very. Nanaitra kely na tsy mahagaga aza ny filazana nataon’ny mpitondra fa tsy mbola tetezamita indray hoe isika ity. Mbola Repobli­kan’ny Fanavaozana izao. Mila fanazavana misimisy […]