Rahampitso no higadona ny daty malaza! Hanamarika indray ny zotra politikan’ny firenena malagasy. Hotanterahina manerana ny Nosy ny fifidianana izay ho solombavambahoaka, handrafitra ny Antenimierampirenena. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fampielezan-kevitra. Vitsy ny rahonakely nandalo, tahaka ny nahafaty ny kandidà iray ireny, ohatra. Taratry ny “Demokrasia malagasy” avokoa ireny, taratry […]
Indraimbava
Aleo hifidy ny vahoaka
Ny fanaratsiana ny hafa ve no hahatsara ny tena? Na ny faminganana ny mpifaninana amin’ny tena no hahatanterahana ny fihazakazahana… Izany no afitsoky ny kandidà sasany amin’ny fampielezan-kevitra, amin’izao fifidianana depiote izao? Misy aza ny tena ratsy fo, difotry ny fanaratsiana sy ny fanenjehana ny hafa fotsiny. Ahoana no […]
Mila mazava
Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny filohan’ny Repoblika sy ny ekipan’ny minisiteran’ny Angovo amin’ny fizarana jiro. Fanatanterahana ny fampilezan-kevitra natao tamin’ny novambra ny fanomezana ilay « Hazavana ho an’ny rehetra ». Manerana an’i Madagasikara ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana. Samy mahazo izany na ny an-tanàn-dehibe na ny any ambanivolo na ny aty an-drenivohitra na […]
Fomba mamohehatra!
Arakaraka ny maha akaiky ny datim-pifidianana, vao maika mangotraka ny kapakapa ranjo sy ny ankisompatra. Izay heverina fa matanjaka sy mamim-bahoaka ka mandresy ny kandidàn’ny fanjakana no lasibatra. Tsy misy ankitsitsy io fa izay sendra ny henjana dia iharan’ny antsojay. Misy kandidà izay kofona mihitsy amin’izao fotoana izao. Tsy […]
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
Anatin’ny fampielezan-kevitra ny mpanao politika. Mihazakazaka ny fambaboana vahoaka, indrindra ny mpifidy handatsa-bato. Raha ny ranty etsy sy eroa dia izay mivoaka babany avokoa. Raha ny olona mivorivory sy tonga maka “kadoa” dia hoe ho maro ny hanao poa-droa. Eny e! Izay rahateo moa no kolontsaina napetraka ho maridrefin’ny […]