Indraimbava

Hentitra fa tsy henjana!

  Nanaitra ny nahita ny hetsika nataon’ny mpiasa mpandraoka fako eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly tolakandro. Tampoka teo niara-nihetsika tamin’ny tanàna maromaro izy ireo. Mazava ny fitakiana, fandoavana ny karamany nandritra ny folo andro, nanaovana ilay hetsika nampanantenain’ny filohan’ny delegasiona manokana. Lasa tokoa izay ny folo andro, miandry ny […]

Raikitra amin’izay !

  Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika ny fifidianana. Raikitra amin’izay ny lalao. Efa mivoaka ny fitsipika sy ny isan’ny olona ho raisina, hiakatra eny ambony kianja. Nampitomboina mihitsy aza izany mba hahafahan’ny distrika isanisany hisitraka ny tombontsoa sahaza azy. Ho mpisolovava rahateo izay ho lany « match » sy ho lany ka samy […]

Tsy hoe ” kely veta”

  Anisan’ny depatemanta iray, andrin’ny firenena ny eo anivon’ny fanabeazana. Anisan’ny minisitera mahabe resaka indrindra ihany koa anefa ny fomba fiasany amin’ izao fotoana izao. Asa noho izy manakaiky vahoaka sy mahakasika mivantana ny ankizy sy ny zatovo? Teboka iray mbola ifandrirotana ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, Lohahevitra tsy azo […]

Sadasada sy fitaka

Mihazakazaka izaitsizy ny fanomanan’ny tsirairay sy ny fikambanana ary antoko manan-katokona hoenti-mia­trika ny fifidianana solombavambahoaka, hatao ny 29 mey ho avy izao. Ny antoko goavana sy ny vovonana mpanohitra aza efa nahavita namoaka ny anarana sy ny fahazoan-dalana ho an’ny kandidà hirotsaka amin’ny anarany. Andrasana ny avy amin’ny fitondrana na […]

Mitady ho very !

  Nankalaza ny Taom-baovao malagasy isika afakomaly sy omaly. Nahafinaritra sy nahavelombolo ery ny mahita ilay hoe: « an’ny tena ». Tsy nahoraka be toy ny fetim-bazaha akory na andro tsy fiasana, toy ny lanonan- dehibe. Ny zava-dehibe, manomboka mamerin-kasina tsikelikely izay mampiavaka azy ilay Malagasy. Indrindra ireo heverina fa manampahefana manokana […]