Efa mitohy ny orana! Miditra anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo i Madagasikara. Manomboka miakatrakatra tsikelikely ny rano eny amin’ny faritra iva. Tsy mbola ilay manainga zipo na ilay tafiditra an-trano akory, saingy ilay efa petsapetsa tsy mampazoto hamangy havana. Loto sy taha ambony amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina mifandraika amin’izany. Ho […]
Indraimbava
Tsy sakana velively!
Mazava aloha ny tondrozotra izoran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, manomboka izao. Miasa avy hatrany anatin’ny fitsitsiana. Natomboka tamin’ny fampihenana ny vola hoenti-miasa eny anivon’ny minisitera isanisany izany. Ny fanabeazam-pirenena irery no nahazo ny fampitomboana noho izy heverina fa fototry ny fanavaozana. Omen-danja ny mpanabe! Anisan’ny paikady iray, mahomby, ny fahaizana mifehy […]
Tena atao izay lazaina
Tena atao ve izay lazaina ary lazaina izay atao amin’ izao? Izay no isian’ny fifampitokisina marina amin’ity hoe fanavaozana, fanovana, fanorenena ifotony. Tsy moramora sy vita vetivety ao anatin’ny fotoana fohy ary tsy efan’ny irery. Nefa tsy maintsy atrehina, atomboka, irosoana, iaretana… Mby aiza? Tsy ananan-kavana na namana ny […]
Tsy ho tampohin-doza
Manomboka tsikelikely ny orana. Tsy mihanona intsony amin’ilay hoe namboarina na artifisialy io! Saika manerana ny Nosy no misy izany. Efa mihazakazaka mihitsy aza ny tantsaha amin’ny asa tany sy ny fambolena. Resy lahatra tanteraka fa voajanahary ny rotsakorana misy amin’izao. Tsy handalo fa efa tafiditra ny fotoam-pahavaratra. Ho […]
Tsy mila kajikajy maloto
Inona moa izany fa ny teo ihany no teo! Mitohy ny hazalambo ny mpanao politika tsy mitovy hevitra, indrindra ireo izay tsy tiatiana sy halako bika tsy tiako tarehy. Mibaribary ny finiavan’ny sasany hamotika olona iray na roa izay heverina fa azo poretina sy azo potehina. Na olona niray latabatra […]




