Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. […]
Indraimbava
Miova vao manova
Fanovana sy fanavaozana no hoe (h)atao amin’izao? Na fanorenana ifotony… Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Misy entim-pahazarana amin’izay lazainy sy ataony. Ahoana no hisian’ny fanovana amin’izany? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vao na mihavao no afa-kanavao. Aiza ho aiza? Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny mpanao […]
Hatrany ifotony…
Lasa misy fikorontanana anaty tsy fidiny ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany sasany amin’izao. Misy ny fanararaotana? Na nipoaka ho azy izay niotrika ela… Tsy inona fa ny hetsika ataon’ny mponina na ny ampahan’ny mponina: mitaky ny fanalana ny ben’ny Tanàna na ny lehibem-pokontany, tsy mamela ny famohana […]
Vahoaka hendry
Tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny, hoy ny mpanao politika iray izay. Tsy misy ny resy tsy miady, fa tsy misy koa ny mandresy tsy miady. Mila miady amin’izay mahazo azy ny vahoaka? Indrindra amin’izay zo fototra tokony hositrahany. Toy izany koa ny amin’izay nampanantenaina na fanambin’ny mpitondra […]
Izay mahasoa aloha…
Mafy sy sarotra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy azo antoka hoe mandra-pahoviana; eny, na aza ny fe-potoana roa taona. Miankina amin’ny fahavononana sy fahamatorana ny raharaha. Nefa eo ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana, fitozoana… Fanavaozana na fanorenana ifotony no atao. Hatraiza? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vaovao na manana […]




