Anatin’ny fanorenana sy fanarenana tanteraka amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana malagasy. Ny olona aloha no efa voapetraka tsikelikely. Miroso miandalana sy tsy mikoropaka. Ny rafitra no mbola omaly tsy miova. Tsy ho atoato rahateo anefa, tsy maintsy miandry ny lamina izay any ambatobevohoka, vao mitsaika. Raha ny resaka roa […]
Indraimbava
Horonantsarimihetsika
Mihazakazaka kely indray aloha ny toe-draharaha politika tao anatin’ny 48 ora. Nipetraka ny governemanta izay voalaza hiasa sy hanome vokatra anatin’ny roa volana! Mba marina ve izany ry zareo? Koa na ny fametrahana olona sy fanovana ny firafitry ny minisitera aza ve ho vita ao anatin’izany. Sanatrian’ny vava ho […]
Governemanta… masaka
Mijoro ny governemanta vaovao. Arahaba soa, arahaba tsara… Ny vao tsy manitra no ratsy? Na ahoana na ahoana, ny asa sy ny fomba fiasa no ifampitsarana. Mazava ny sori-dalana. Na ny politika ankapobeny… Eo ny fitadiavam-bahaolana amin’izay tena maharary ny vahoaka: jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana… Eo koa ny […]
Tsy mora ny manao zavatra
Mimenomenona ny iray tanàna fa hoe mitarazoka avokoa ny zava-drehetra, indrindra ny fandraisana fanapahan-kevitra. Misy ny manomboka mampiaka-peo, maneho ny fahasorenany. Miaka-pofona mihitsy amin’ny mbola tsy maha voavaha ny olana nitolomana. Asa, misy ireo miandry fahagagana haingana diso tafahoatra? Tsy voatery ho voavaly anatin’ny iray volana kosa ilay olana […]
Mahalala vahoaka
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy koa no antom-pisian’ny mpitondra, fa ho an’ny vahoaka izay ataony. Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro mandavantaona. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany… Lanja miakatra! Mahalala izay mahazo ny vahoaka ve ny mpitondra? […]




