Tsy hita ho lazaina fa mahatonga saina ny zava-misy ankehitriny. Mitady hanjaka ny faharomotana faobe. Tsy olon-tsotra, tsy manampahefana fa mirintondrintona be fahatany. Ny manana basy mitifitifitra, ny manana sandry mikapokapoka, ny manana vava manasa vangy. Tsy misy fitoniana fa mifandrangitra ohatry ny olona marary saina. Ny tena mampiteny ny […]
Indraimbava
Rano …masina
Nanao ranolava tato ho ato ny olona maty an-drano na ireo niniana novonoina ka navarina an-drano. Loza toy ny loza rehetra ireny raha atao fijerin’olon-tsotra. Mampieritreritra kosa anefa raha amin’ny lafiny finoana sy ara-panahy. Ny rano rahateo no fototry ny aina, saingy ny rano indray ity, ankehitriny, no maningotra […]
Mandeha mafy sy lavitra
Anisan’ny ahalalan’ny any ivelany an’i Madagasikara, hono, ny hoe moramora. Mba marina? Samy mandini-tena, mitsara… Eo koa ny hoe am-boalohany ihany rehefa mandeha na manao zavatra. Afo-mololo? Nefa misy ny fiteny malagasy izay hoe ny hazakazaka tsy dia: tsy mahalasa lavitra ny fihazakazahana tsy amin’ny antony. Maika tratran’ny miadana. […]
Toa tsy misy vidiny
Mahakivy tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky no handrenesana sy ahitana faty olona etsy, razana eroa. Mitsitsitra sanatrian’ny vava, tsy misy vidiny ny ain’olombelona. Ny tena mampihaiky volana dia ity fomba feno fahasahiana sy feno habibiana hataon’ny olon-dratsy. Ankoatra ny fantatra mazava ny antony dia mampiahiahy ny […]
Fitiavan-karena
Asa na noho ny fahantrana lalina, mivadika ny tany aman-danitra. Aleon’ny olona mivaro-panahy ahazoana vola aman-karena. Izay koa angamba no mahatonga ilay firenena maty hasina. Mikororosy sy farahidiny faobe. Tena hoe na ny kely ananana aza izao miharitra sy mihafongana. Tsy hoe ilay mpanao politika loatra no mpanao ampihimba […]