Indraimbava

Tanora mahavita azy!

  Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena. Hisantatra izany rahateo ny tanora, anio, eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Heverina fa rariny sy hitsiny tokoa ny tanora no mamaky lay izany. Izy ireo rahateo no tompon’antoka voalohany amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy afa-miala fa rangory fototry ny afo […]

Mahamenatra

  Iaraha-mahalala sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara, ankehitriny. Manjaka ny ratsy sy ny fifamonoana. Tsy misy andro iray ka mba hanginana sy tsy andrenesana zava-dratsy. Samy mampiaka-peo, milaza azy ho tompon’ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny avokoa izay manao fanambarana. Izay mivoaka na miditra dia milaza fa […]

Tsy very fanantenana

  Hanao ahoana ihany izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa… Mitebiteby andro aman’alina ny vahoaka. Misy mampiaka-peo amin’ny fitakiana asa haingana sy mivaingana amin’ny fitandroana filaminana, fikarohana ny marina, fanenjehana sy famaizana ny olon-dratsy… Mbola azo itokisana sy azo antoka amin’ny […]

Fifampitokisana

  Tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery intsony ny raharaha? Matoa nananganana rafitra sy hery manokana. Amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa amin’izao. Eo koa ny fangatahana tolo-tanana amin’ny fampitam-baovao avy hatrany amina tranga mampiahiahy. Tsy ifanomezan-tsiny. Aim-pirenena no lalaovin’ny sasany amin’izao. Mila fifanomezan-tanana, firaisankina, […]

Samy mitady ny anjarany

  Nanaitra ny nahita ireo mpisintona lakolosy teny amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Nifoha tamin’ny torimasony ireo « influenceurs » fanta-daza tamin’ny hetsika Gen Z. efa niandry ny fahoriam-bahoaka fara-tampony vao mahatsapa fa manana adidy. Ny sasany nahazo seza dia nikombom-bava. Ny hafa nisitraka tohana manokana, nanakipy maso ankitsirano. Namono eritreritra no azo ilazana […]