Indraimbava

Valala an-karona indray !

Mahavariana ny mpanao politika, tsy miova mihitsy ny fomba fanao. Ny nataon’ireo rehetra nifandimby ihany no miverina. Tsy mahagaga anefa izany satria ny mpitarika sy ny mpitondra no miova. Ny mpiantsehatra ve? Mpanao politika mahay mihofo sy manaraka ny volontany. Tsy misy resaka etika sy fahatokanam-po eo. Tena henjana amin’ny […]

Ho ray aman-dreny tomponandraikitra

Anatin’ny fiatrehana ny taom-pianarana tanteraka ny ankizy amin’izao fotoana izao. Manomboka ny fifohazana maraina sy ny rotoroto isan-kariva maka mpianatra. Ny renim-pianakaviana no tena mizaka ny mafimafy, indrindra ny mbola manenjika birao na fitadiavam-bola hafa. Tsy afa-miala rahateo fa ny reny dia reny eny foana. Tsy mahazo mitarain-tana-miempaka na inona […]

Lasa indray aloha! 

Mandeha ny mandeha. Mitohy ny lalana ho an’ny filohan’ny Fanavaozana. Efa any Paris indray ny delegasionina tarihiny. Hamonjy any amin’ny Vondrona eoropeanina ihany koa ny tenany. Toy ny mahazatra, tsy maintsy misy ny resabe politika. Indrindra vao mivoaka ny fofompofona frantsay. Vely latabatra hoe, fandrahonana sy fibedesana hoe! Ohatran’ireny biby […]

Tsy sarintsariny hoy ry vazaha

Tsy niala teny an-dapa mihitsy, nandritra ny andro maro­maro, ny vahiny mpanara-maso. Nanatrika hatramin’ny farany ny dinika politika izy ireo. Tsy afaka ny mandray anjara fa mitazatazana fotsiny aloha. Tsy manana fahefana hijabaka koa. Na ny filohan’ny Fanavaozana aza tsy nahazo laka, hiteny na hizara hevitra. Natokana ny mihaino sy […]

Mankany amin’ny lala-mahitsy

Hifarana anio ny dinika politika eny an-dapa. Mivoitra amin’ny ady hevitra ny lalam-pifidianana aloha vao latsa-bato. Tsy marisika amin’ny fifidianana ny mpiantsehatra fa mitady ny fomba hisian’ny kianja madio. Samy vonona tsy misy tahotra ny rehetra fa miahiahy fotsiny sao misy ny ankamely sy ady ampitaka. Ny mpilalao efa vonona. […]