Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, […]
Indraimbava
Tsy miankina… tsy fiankina
Mahabe adihevitra amin’izao ny toeran’ny tsy miankina eny amin’ny Antenimierampirenena? Eny, na mazava izao aza fa misy ny fahazoana maro anisa feno sy tanteraka. Mby amin’ny filazan’ny mpandinika iray izay hoe na ho any amin’ny fanoherana aza izy ireo, tsy hanova inona firy. Raha tsy hoe hiandany any amin’ny […]
Solom-bava mba aoka…
Hilamina amin’izay ny tany sy ny fanjakana? Indrindra ny politika… Misy ary voamarina ny fahazoana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena; eny, na eo aza ny karazana kajikajy sy fampitandremana politika: tsy tokony hiandany hatramin’ny farany ireo depiote tsy miankina, mila miverina amin’izay niaviany ireo avy amin’ny antoko politika… Na ahoana […]
Adidy fa tsy seza
Vita izy izay! Nilamina ny zava-drehetra. Misokatra ho an’ny solombavambahoaka vaovao ny Lapa eny Tsimbazaza. Nivoaka ny didy tsy azo ivalozana. Tsy misy intsony ny fampiakarana raharaham-pitsarana na aiza na aiza. Izay te hiady amin’ny resaka ady heloka bevava sisa no afaka manenjika ny kandidà nifaninana, noho ny fandikan-dalàna hafa. […]
Hatsimbadika ny rasa ?
Anio amin’ny misandratrandro no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Andrasana izay ho mpandresy ka hisandratra, handrombaka ny amboara nimatimatesana. Efa maromaro ihany ny kandidà lany teny amin’ny Ceni, no tazana eny an-kianja rehetra eny, ary efa misalotsalotra ny maha depiote, voafidim-bahoaka, azy. Asa hanao […]