Nahazo Praiminisitra iny Ramalagasy. Nanamarika voalohany ny fiakarany kianja ny fanilihana mpanao gazety. Tsy mbola niherina akory ny andro amin’ny filazan’ny Filohan’ny Repoblika ny hisokafan’ny loharanom-baovao, ny mifanohitra amin’izany no nataon’i Mahazoarivo. Voatosi-bohon-tanana ny mpitrandraka vaovao, izay fanoitra ho amin’ny fahombiazana na tsia ny irak’ity ramiamila iray ity. Tsy […]
Indraimbava
Sasa-miandry!
Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa. Raha manjohy akaiky ny hodidina […]
Lava dinika sy rariny
Tsy nampoizina izao toe-draharaham-pirenena izao? Na efa nahiana be ihany… Tsy maintsy atrehina ny olana fa tsy azo odian-tsy hita. Amin’izany, ny rariny itompoana, mody ho heloka; ny heloka ibabohana, mody ho rariny. Mby amin’ny hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana? Na izany aza, politika ny raharaha. Tsy ilaozan’izay […]
Tsy ampy fanetren-tena
Tsy ampy fanetren-tena ny olona! Izay no azo hamehezana ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Toa samy mandeha mijonjorombona fotsiny arakaraka ny toetoe-pony. Manao izay mahafalifaly sy maka ambiansy araka ny fahitany ny zava-mitranga. Hatreto, tsy voafaritra mazava ny tena tanjona iraisana, samy mandeha samy mitady aloha. Izato zatovo mpanao fitakiana […]
Mampanahy ny ambana
Hitohy anio indray ny hetsika fidinana an-dalambe. Asa, inona no hiseho taorian’ny fakana aina, omaly? Raha ny filazan’ny mpikarakara ny hetsika aloha dia hafampana! Avy nanovo hery taorain’ny fitsaharana. Efa milaza fa milamina rahateo ny paikady noho ny fisian’ny kaomity manokana nandray an-tanana izany. Ankoatra ny firaisankina, hiditra amin’ny […]




