Indraimbava

Mihisatra am-pahamalinana

  Vao herinandro dia efa miakatra amin’ny fitarozahana sy fiverenan-dalana ireto nahazo fahefana. Manomboka ny menomenona amin’ny fahatapahan-jiro. Miakatrakatra ny feo amin’ireo sokajim-pikambanana mampivondrona tanora, izay manao valala an-karona. Tsy lazaina intsony ny famadihana ny lokaloka nataon’ny sasany vantany vao nahomby ny tolona. Fomban’ny tontolo filalaovana politika eto amin’ny tanàna […]

Aleo hifanatrehana

  Hanao ahoana ihany ny fiainam-pirenena? Indrindra ny fiainam-bahoaka… Tsy mety tena misy ary maharitra izay fahamarinan-toerana politika. Nahoana? Ambaran’ny mpandinika sasany fa anisan’ny fototra sy fositra ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy mety ho kolontsaina ny fanajana sy fampiharana lalàna. Saika mibahan-toerana na mahazo laka ho azy mandrakariva ny fanaovan’ny sasany […]

Mila mahay maka lesona

  Nahavariana ny besinimaro ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, omaly. Andaniny, nisomebiseby tamin’ny fandraisana fahefana ny Praiminisitra, teny Mahazoarivo. Toraka izany, nihidy aman-trano teny an-dapa ny mpitondra sy ny iraky ny Sadc. Ankilany anefa, nanaitra ny fahitan’ny olona miaramila iray, manamboninahitra jeneraly, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Voalaza fa mpanohitra fanjakana […]

Ny teo ihany no miverina

  Voafitaka sa mpiray tsikombakomba ireo voalaza fa mpitolona tia tanindrazana? Raha ny zava-misy ankehi­triny manko, mitaky valiny izay fanontaniana izay. Mila fanazavana amin’olon-tsy fantatra izay toa fialokalofana sy mpisintona ny singa tokony hahetsika amin’ny toe-javamisy ankehitriny. Tsy tongatonga ho azy akory fa misy atidoha goavam-be samihafa, namolavola sy nanaka­rama […]

Miroso tsimoramora

  Mandeha ny mandeha! Miroso tsikelikely amin’ny fandaminana ny fitondram-panjakana. Efatra andro taorian’ny fianianana, nivoaka ny Praiminisitra. Midika izany fa hiasa ny fitondram-panjakana. Mametraka ekipa vonona sy sahy ary heverina fa ho vanona.  Hiasa sy hanompo tanindrazana tokoa anie. Amin’izao fotoana izao, samy miandry ny rehetra. Inona ilay fanovana anaty […]