Vita aloha izay ny dingana heverina fa mafimafy ho an’ny mpidina an-dalambe. Tapitra ny an-kitifitifitra sy ny fanenjika ary ny an-kiafinafina. Fotoana izao ho an’izay sahy: sahy hanolo-tena handray andraikitra tsy misy fitiavan-tena, sahy hanova tanteraka, sahy ahafoy fotoana, sns. Raha ny vinavinan’ny tanora Gen Z aloha, andrasana izay […]
Indraimbava
Am-bavam-pihaonana
Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy […]
Tsy maty manota
Fomba fiteny iray nireharehan’izay mpitondra fanjakana nifanesisesy teto ny hoe “tsy maty manota”. Nizahozaho araka izay tratrany ny manampahefana. Nanao tsindrio fa lavo izay manana herijika afaka nanao izany. Tena nosemporina araka izay zakan’ny ain’ireo mpanao tsindrio fa lavo ny Malagasy tsivakivolo. Nanampatra ny mahabiby fanahy azy ny taranak’i […]
Tsy fahalalahana gaboraraka
Aleo aloha asiana famakafakana kely ny mahakasika ity resaka asa fanaovan-gazety ity, anio. Maro ny tranga izay nahabe resaka. Niteraka ady tamin’ny Holafitra na sehatra hafa izany. Nahatonga ratra sy fifanakianana samihafa, andaniny. Mba nampisongadina ihany koa anefa, ankilany. Taiza no nisy mpanao gazety niaka-dapa indroa miantaona izany anatin’ny […]
Mamita-tena
Nahafinaritra sy nahavelombolo ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy mila mpisolelaka sy mpanasoaso be fahatany ny tenany. Mazava ny filazany fa mahay maka lesona sy manitsy ny diany izy. Nampangainy rahateo fa noho ireny mpanolo-bato mafana, ankolaka, ireny no nahatonga ny olan’ny firenena ankehitriny. Mitady olona sahy sy afaka […]




