Indraimbava

Fiarahana mamoafady

Samy manao izay mahafalifaly ny fony, ara-bakiteny, ireto mpanao politika. Andaniny, mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tsy mankasitraka ilay rafi-pifidianana. Ankilany, manohy ny adiny sy ny lamina anatiny ny kandidà vonona ny hifaninana. Tsy hita fa izay ilay demokrasia ara-bakiteny aminy! Demokrasia misavorovoro anatin’ny fahasamihafana fa manaja ny hodidina maha […]

Hitokona sa hifidy ?

  Vita iny ny omaly ! Ny ambany ihany no mafy fa nilamina ny tanàna. Tsy nisy ny korontana sy ny endrika fandikan-dalàna ka mety nitarika fandrobana na fanimbana fananam-bahoaka. Voafehy ny toe-draharaha teto an-drenivohitra. Samy namonjy fodiana ny rehetra rehefa samy avy namita ny adidiny teny an-toerana: ny mpanao fihetsiketsehana […]

Fiovaovana toetra… hambo

Valanaretina covid-19, krizy vokatry ny adin’i Rosia sy i Ukraine, fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no ady atrehin’izao tontolo izao tato ho ato izay, tsy mahafa-bela tanteraka. Anisan’ny manahirana amin’izao ny fiovaovan’ny toetr’andro, saika tafahoatra: mahafaty olona rehefa tena mafana, mahatondra-drano raha vao avy orana… Miovaova be ihany, ohatra, ny taom-pamokarana sy […]

Izay be no basy !

  Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mandritra ny fotoana mampi­sahotaka ny olon-drehetra, izy tsy andrenesam-peo. Miezaka ny mizara traikefa amin’ny tanora sy ny fandraharahana no imatimatesany. Mbola mangina tante­raka ny lehilahy raha resaka politika. Mbola miompana amin’ny toekarena sy sosialy ny fampielezan-kevitra […]

Miroso tsikelikely

  Mandeha tsimoramora ny fikarakarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hatao ny volana novambra ho avy izao. Efa samy maharay tsikelikely ny karatra ahafahana mandatsa-bato sy mirotsaka ho fidina ny isam- batan’olona. Ny mpanao fampielezan-kevitra savaranonando, manohy ny fitetezam-paritra. Hatramin’ny kandidà milaza fa manohitra ilay fifidianana aza anefa mihaona sy […]