Indraimbava

Tsy hery fa tahotra

  Hivoaka amin’ny fahanginany ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso. Hiresaka mahakasika ny fanapoizinana teny Ambohimalaza amin’ireo fitaovam-pifandraisana an’ny fanjakana ny tenany. Inona no ambarany? Inona ny zava-baovao, tsy hita eny amin’ny tambajotran-tserasera hifampizarany? Ho sahy hamoaka ny anaran’ireo mpitondra ambony, voantonontonona ve izy, raha misy tokoa izany? Amin’ny maha […]

Mivadibadika toa lela may !

  Mba mahavariana ilay zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Tena misy sokajin’olona manao izay danin’ny kibony amin’ny famotehana ilay fitondram-panjakana. Tsy mba olona ety ivelany akory, fa ny ao anatiny ihany no manao mpamosavy malemy. Tsy takona hafenina ny fahalovana izay miseholany etsy sy eroa. Ny tena zava-doza dia ity firaisankina […]

Mifanapoizina an-toerana

  Mbola ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao! Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Tsy mafy ady fa miady mafy. Amin’izany, saika fitanana fahavelomana sisa no zava-dehibe sy vitan’ny maro: rehefa tsy maty, dia izay. Izany aza efa manahirana. Efa mba misy fihatsarany ve ny fiainam-bahoaka amin’izay ataon’ny fitondram-panjakana? […]

Fisaka ny marina

  Raha misy trangam-piarahamonina mahabe resaka angamba dia ity fanapoizinana olona teny Ambohimalaza ity. Tafakatra 31 rahateo ny namoy ny ainy, mbola am-polony manaraka fitsaboana. Tsy vitan’izay fa manjaka loatra ny fikobokobononana ny fanadihadiana sy ny fizotry ny fitsaboana ny marary. Hatramin’ny fitrandrahana vaovao aza dia manahirana, manjaka loatra ny […]

Adidy masina

  Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fametrahana tantara eto amin’ny Firenena ny fitondram-panjakana, ankehitriny. Mitohy ny fametrahana ny fotodrafitrasa isan-karazany manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy misy adino tokoa ny isam-paritra fa na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia samy mahazo ny anjarany. Mitohy rahateo ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fijerena […]