Tena mahatsiravina ilay filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Tsy misy andro mihiratra tsy ahazoana vaovao miiba mahakasika ireo mpikirakira izany. Zary fifamotehana noho ny resa-bola sy valifaty manokana sisa no azo hamaritana ilay politika. Tsy vitan’izay fa misy mahavita mamoron-dainga hanaratsiana ny hafa. Tsy ny fiarahamonina ihany no simba eto […]
Indraimbava
Vahoaka tsy adala
Tsy misy inona vitan’ny fitondram-panjakana, hono, amin’izao. Izay ny fijerin’ny be tsikera, mpanohitra, mpankahala… Izay atao koa tsy misy dikany, tsy mitondra inona amin’ny fiainam-bahoaka: rendrarendra, fisehosehoana… Tsy atao mahagaga raha ny vava tsy ambina toy izany. Mby amin’ny hoe tsy manao na inona na inona raha tsy te […]
Tia raha
“Mangarahara angamba tsy misy ohatr’ireny nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Horonantsary fizarana fahafiry?”, hoy kosa ny mpanohitra sy ny ankamaroan’ireo olo-malaza mpanao ranty hisintonana olona anaty tambajotra ireny. Tiana ambara etoana ny resaka Ambohimalaza sy ny fanapoizinana, ary ilay adin’ny mpianakavy hafahafa. Ampy ho teboka hamaranana […]
Sangodim-panina
Raha tsy mahay dia fanina tanteraka amin’ny fomba fivoizana vaovao eto Madagasikara. Samy manao izay mahametimety azy avokoa, indrindra fa ireo misora-tena ho mpanao gazety sy mpisintona lakolosy. Samy milalao ny saim-bahoaka sy toe-pon’ny tsirairay. Tsy hita be ihany izay tokony ho inoana. Ny tena mpanao gazety heverina ho […]
Sady madio no salama
Raikitra izy ity! Afaka efatra herinandro dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, izay hampiantranoin’i Madagasikara. Efa miha tomombana tsikelikely ny fanomanana. Anatin’ny fametrapetrahana faramparany ny komity mpikarakara. Ny mpiara-miombon’antoka raheto manao ranolava. Tsy misy diso anjara amin’ny fandraisana andraikitra ny manampahefana isan-tsokajiny. Manoloana izany indrindra, hiverina indray, manomboka izao, […]




