Indraimbava

Fahefana… fahavitana

  Ady fahefana no mampifanenjan-dava ny mpanao politika? Mihevitra, ohatra, ny mpanohitra ary mampihevitra ny vahoaka fa raha tsy izy no eo: tsy misy inona mandeha sy ho vanona. Tsy inona izay fahefana izay fa fahavitana izay tokony hatao, tsy maintsy efaina, andrasan’ny vahoaka… Araka izay nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny […]

Mila jadona Noho ny fifanarahana dia nidina nivarotra anaty lalana ny mpivarotra amoron-dalana. Mainka hanampy trotraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hanakorontana misimisy  ny tanàna izany. Tsy hidirana lalina ny amin’izay fa ny tokony hilofosana izao dia ny fandresena lahatra ireo mpivarotra mba hanaiky ilay vahaolana maharitra amin’ny tsena voatokana sy […]

Gaboraraka!

  Tena mahavarina ny zava-misy eto an-dRenivohitra tao anatin’ny andro vitsivitsy izao. Midingin-drambo, tsy nanaiky raha tsy nahazo rariny ny mpivarotra amoron-dalana. Nahomby ny fanaovan’izy ireo takalonaina ankolaka sy politika ny fitakiana nataony. Ny mpanohitra lamina sy ny mpandala ny gaboraraka indray izao no tompon’ny teny farany. Zary mivoaka miditra, […]

Asa… mahamarin-toerana

  Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny […]

Mamakafaka lalina

Trangam-piarahamonina iniana volena indray tato ho ato ny fanakorontanana etsy sy eroa. Tadiavin’ny sasany hatao amin’ny fomba rehetra ny hisian’ny fitokonana faobe. Tsy vitan’izay fa misy amin’ny mpanao politika no mitady hirika hisian’ny ra latsaka an-tany. Tsy mikely soroka tokoa ny ratsy amin’ny fitadiavana lalana manivaka, handravana efa. Miseholany ny […]