Hanao ahoana ny ho firafitry ny governemanta vaovao? Fe-potoam-piasana vaovao izao, dingana vaovao, fomba fiasa vaovao… Hisy ihany ny hoe fisokafana amin’izany? Ho hita eo… Velona indray ny adihevitra, ady sisika, ady toerana… Anisan’ny mahazatra ny sasany amin’ny toy izao ny fifandanjana isam-paritra na foko. Tsy maintsy misy solontena isam-paritra […]
Indraimbava
Tsy ho kirizy mafy…
Injay izany fientanam-po, vao misaina kely fa higadona ny Noely na ny Krisimasy! Vanim-potoana kely mba hisentoana sy hakana aina amin’ny rotorotom-piainana. Andro iray izay hanehoan’ny mpianakavy ny fifankatiavana misy eo aminy. Hamoriana ny avy lavitra rehetra, indrindra ho an’ny manan-katao. Vanim-potoan’ny fifamelan-keloka, indrindra ho an’ireo manana fo madio. […]
Valim-babena
Nametra-pialana ny governemanta notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian. Misahana ny fampihodinan-draharaha sisa ny ekipa miaraka aminy. Nihoraka izay tsy izy ny mpitolona, nanohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Efa manantena ny valim-babena araka ny fampanantenana natao azy ireo. Iza tokoa no tsy mahatadidy fa toky nomen’ny kandidà laharana fahatelo hatrizay […]
Jamba mifampitantana !
Raha misy firenena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany dia i Madagasikara. Mazava be ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena fa dimy voalohany avy any amin’ny farany isika. Tsy atao mahamenatra izany. Tsy natao handemen-tsaina sy ahakivy ihany koa. Tokony ho fanoitra sy angady hoenti-miady ho an’ny fampandrosoana. Ilay mpanetsika hambom-po. […]
Tsy fiadY hevitra
Nahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fizaram-baovao nataon’ny foiben’ny fiketrahana masina avy any Vatican, omaly alina. Indrindra mahakasika ilay resaka « fitsofan-drano » ny fanambadiana maningana na tsy mahazatra. Nizarazara be ny hevitra, nihazakazaka ny torapo isan-karazany. Zary mpahay ny tenin’ny soratra masina sy ny teolojia daholo indray Razanakolombelona. Ho […]