Indraimbava

Fahasahiana sy finiavana  

Miakatrakatra ny maripana sy ny tsindry ataon’ny olona amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny resaka fanapoizinana teny Ambohimalaza ka nahafatesana olona 29 ary mbola misy 24 miady amin’ny fahafatesana. Mifamahofaho diso tafahoatra ny vaovao ka mila mangaraharaha kokoa. Efa manao izay ho afany ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny manampahaizana fa mbola tsy […]

Mijinja ny nafafiny

  Mahoraka sy mandeha indray aloha izao ny famonoana ankolaka ny mpitondra fanjakana, indrindra fa ny manao ny tsara sy ny mandeha mahitsy araka ny tokony ho izy. Potehina sy atao tsinontsinona ny ezaka sy asa vita ary ny vokatra azo rehefa tsy miditra amin’ny fomba maloto mahazatra ny ankamaroany. […]

Mila mahazaka !  

Maro raha hita tokoa eto Madagasikara ! Tena hoe tsy hay intsony izay asiana ny tongotra na hiankavia na hiankavanana. Raha mianatsimo mahazo kiana, mizotra miankavanana voarabiraby, raha mianandrefana toa latsalatsaina, raha miantsinanana moa dia voaompa mihitsy. Sarotra tokoa ny miaina amin’ny zava-misy, ankehitriny. Raha kelikely vovokaina aloha dia tapitra andro […]

Vahoaka… tompom-pahefana

  Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, tsy misy marenina toy izay minia tsy mihaino. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay? Mbamin’izay ataony, izay kendreny… Tsy mahavita na inona na inona ny fitondram-panjakana, raha ny fijerin’ny mpanohitra sasany? Eo ny vahoaka mahita sy mahatsapa ary mitsara izay iainany: […]

Isika miara-mientana !

  Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”. Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa […]