Mirongatra ny fakana an-keriny, fanolanana, herisetra… ? Eo koa ny fisolokiana, fisandohana, fanambakana… Misy ny hoe tsy matahotra na iza na iza, fa mahalala olona, hono. Fahantrana no hoe antony? Mahantra hatramin’ny saina… Fa lehibe koa ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fahatahorana na tsy firaharahana fanjakana: na mpitandro filaminana io, […]
Indraimbava
Ra latsaka
Tafahoatra ny zava-miseho eto amin’ny firenena ! Ra latsaka etsy, ra latsaka eroa vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny vono olona. Mampiteny ny « moana » ny trangam-piarahamonina mitranga na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tena mijininika ara-bakiteny. Voaporofo fa zary tsy misy lanjany amin-dRamalagasy intsony ny aina. Mahatonga saina ny firongatry ny tifitra tsy […]
Koleranao, kolerako !
Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona. Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny […]
Fanadiovan-tsaina
Somary nitsahatra kely ny orana. Manomboka miakatra ny hafanana. Mbola miparitaka ny fako na efa manao izay ho afany aza ny mpanadio. Angaredona niady amin’ny loto no azo nilazana azy. Tena nanao rodobe hatramin’ny vazaha aza nanome kamiaobe Manomboka hita fa misinda tsikelikely ny tendrombohitra fako, nameno ny tanàna. […]
Mandry tsy lavo loha
Migadona indray ity ny andro malaza ho an’ny mpanao politika sy ny mpitady seza. Hiditra amin’ny filan-kevitry ny minisitra faharoa amin’ity taona ity ny governemanta. Toy ny mahazatra, misy ny fifampizarana avy amin’ny mpikambana sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika. Tatitra momba izay herinandro voalohany nitsapana kianja izay. […]