Indraimbava

Ny kaly ihany aloha !

Asa fa tsy kabary! Izay aloha izao no mahasarika vahoaka maro. Tsy miandrandra zavatra hafa ankoatra an’io ny Malagasy. Na inona na inona lazaina sy resahina, miandry ny harapaka sy ny azo atokona avy hatrany izy ireo. Rehefa tsy misy fiantraikany mivantana aminy, dia ataony toy ny tsy misy. Na […]

Aleo aseho izay atao

Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay no anisan’ny antoka amin’ny hoe fangaraharana amin’ny fitantanana, tan-dalàna, mandroso… Sarotra hajaina sy tanterahina izany, raha tsy mazava sy maoritra tsara izay aleha sy atao. Tsy mitsapatsapa izany, tsy miova hevitra tampoka eny am-pandehanana, mamita hatramin’ny farany izay fanamby hoe atao. To teny […]

Hivadika ny rasa

  Miditra amin’ny fitetezam-paritra amin’izay ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ankehitriny. Efa any atsimon’ny Nosy ny delegasiona tarihiny, raha efa miandry azy ihany koa ny any avaratra. Maro ny fotodrafitrasa notokanany. Porofo fa miasa ho an’ny eny ifotony izy amin’izao fotoana izao. Tena manakaiky vahoaka sy mitady ny fomba […]

Tsara ifampitaizana

  Fiteny amin’izay mitady fanampiana ny hoe: omeo fintana izay mangataka trondro. Mila miasa izany amin’izay tadiavina na irina. Mby aiza? Tsy inona fa ny amin’ity hoe ny maha olona anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasan’ny fitondrana izao. Manao izay efany sy afany tokoa ny mpitondra amin’izany? Eo ny tsirairay […]

Mpamosavy malemy

  Toy ny vara-datsaka ny vaovao nilatsaka teto an-dReni­vohitra, omaly. Voalaza fa ny renibeny sy ny rahalahin-drainy ihany hoe no namono ilay zazavavikely, vao 8 taona tetsy Antohomadinika IVO. Tsy vitan’izay fa mbola niampy hoe: “Natao sorona”! Loza tsy roa aman-tany. Indroa nahita ny mangidy ilay zaza novonoina. Nolazain’ny velona […]