Indraimbava

Alao hery àry !

  Raha manao, hono, no tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; raha miraviravy tanana, avelao hivarina amin’ny tany. Eo koa ny hoe Zanahary tsy mitahy mandry. Tsy toe-tsaina malagasy ny miandry ampiana: manao ariary zato am-pandriana. Na manantena harin-drahalahy. Na ahoana na ahoana, misy izany no mendrika ampiana: izay mihetsika, […]

Ho amin-kitsim-po

  Tena mahavariana ny fanaovana politika amin’izao fotoana. Baikoin’ny fialonana sy ny kajikajy isan-karazany ny mpiantsehatra. Tsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampandrosoana intsony no mampirisika ilay fandraisana andraikitra. Loha lisitra ny fitiavam-bola sy voninahitra. Indrisy, efa izay avokoa ny ankamaroany. Mitomany ilay Madagasikara. Mipetraka ny fanontaniana amin’ny zava-misy ankehitriny: maninona […]

Mandeha ny fotoana! 

  Mihazakazaka ny fihodinan’ny ora, ny andro, ny volana. Hifarana sahady ny volana fahadimy, amin’ny taona 2025. Efa hisasaka ny taona, saingy mba inona re no vitan’ny tsirairay? Toa zara raha misy hisainana sy hanaovan-javatra ilay vanim-potoana. Toa miridana, mijonjorombona tsy ahafahana manangan-javatra. Vanim-potoana tokony handinihin-tena izao ho an’ny olom-pirenena […]

Mila mihenjana

  Aleo aloha mba hiresaka fanabeazana ny kilonga indray isika, anio. Niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mpianatra vao herotrerony manao firaisana ankalamanjana. Nanaparitaka izany hatramin’ny kaomandin’ny zandary avy amin’ny vondrom-paritra Antananarivo. Na ny mpanao gazety naka ny sary aza mbola nidonaka, mialoha ny sintona lakolosy. Miantefa amin’ny sokajin’olona maromaro […]

Miketrika mafy

  Mitohy ny iraka ataon’ny Filohan’ny Repoblika any ivelany, amin’izao fotoana izao. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny delegasionina tarihiny ahafahana mametraka ny politikam-pampandrosoana mivelatra amin’ny iraisam-pirenena. Iaraha-mahalala rahateo fa anatin’ny lohalaharana ho an’ny fitondrana malagasy ny diplaomasia. Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa sy loharanom-bola ho an’ny firenena, ankoatra ny […]