Indraimbava

Jamba mifampitantana !

  Raha misy firenena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany dia i Madagasikara. Mazava be ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena fa dimy voalohany avy any amin’ny farany isika. Tsy atao mahamenatra izany. Tsy natao handemen-tsaina sy ahakivy ihany koa. Tokony ho fanoitra sy angady hoenti-miady ho an’ny fampandrosoana. Ilay mpanetsika hambom-po. […]

Tsy fiadY hevitra

  Nahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fizaram-baovao nataon’ny foiben’ny fiketrahana masina avy any Vatican, omaly alina. Indrindra mahakasika ilay resaka « fitsofan-drano » ny fanambadiana maningana na tsy mahazatra. Nizarazara be ny hevitra, nihazakazaka ny torapo isan-karazany. Zary mpahay ny tenin’ny soratra masina sy ny teolojia daholo indray Razanakolombelona. Ho […]

Mila … lamina

  Miaina anatin’ny vanim-potoanan’ny fety ny mponin’Antananarivo. Samy miomanomana na ny manan-katao na ny sahirana. Ny mpanambola efa milahatra any amin’ny mpanjaitra. Efa hilaharana ny mpanao taovolo sy ny mpanamboatra tarehy. Manginy fotsiny ny fandaniam-bola amin’ny fidirana trano fikotranana mba manefinefy bika. Etsy ankilan’izany, ireo miady amin’ny fiainana. Tsy misy […]

Ny atao no hita

  Efa fantatra hatramin’ny ela ny olan’ny vahoaka ifotony fa ny fiatrehana fiainana andavanandro: tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, tsy fisian’asa, famatsian-drano sy jiro, masomboly sy zezika… Tsy vaovao koa izay mamaky loha isan’andro ny ankamaroan’ny mpanao politika fa ny hambompo politika, ny ady fahefana, ny fangirihana na fiarovana tombontsoa… Amin’ny ankapobeny, […]

Tandremo ny mpanolana !

  Handao hiresaka trangam-piarahamonina mampivarahontsana isika anio. Tsy sanatrian-dresaka hanimba ny « ambiasy » amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika akory fa tena tsy maintsy potserina. Misy vay maharary tsy maintsy vakiana. Ity resaka fanolanana ankizivavikely na ankizilahikely ity. Ny tena loza mihatra, ilana fandraisana fepetra hentitra dia ny mpianatra samy mpianatra mifanolana. Mahazo […]