Indraimbava

Samia mitandrina

  Mandriaka ny ra manerana ny Nosy. Misy ny matin’ny lozam-pifamoivoizana, misy ny maty noho ny ankasomparan’ny sasany, eo no tapitr’andro ara-boahajanahary. Mahavalalanina ny zava-miseho. Tampokampoka eo, feno filazana manjo ireo tambajotran-tserasera. Ekena fa hoe, tsy misy maty tsy amin’ny lerany izany saingy tsy maintsy lasa ihany ny saina, mirohirohy […]

Tsy mahakivy

  Taorian’ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) dia manao ranolava ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny. Tsy amin’ny raharahan’ny samy fanjakana, indrindra ny amin’ny tsy miankina. Mahavelom-bolo ny fifanomezan-tanana amin’ny fikambanana, na vondron’olon-tsotra. Misy ny fiarahana mirona amin’ny lafiny sosialy sy ny toe-karena. Anisan’ny teboka tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fametrahana […]

Mifanahim-bibidia

  Vita izay ny fivoriana isan-karazany, nandraisana vahiny. Nilamina tokoa ny tanàna tao anatin’ny andro vitsy. Nadio ara-bakiteny sy ara-keviny ny teto an-drenivohitra. Voafehy ny fitandroana ny filaminana teto am-povoan-tanàna sy ny manodidina. Tsy nandrenesam-baovao na nahitana ranty mahakasika ny asan-jiolahy ny fitaovana fampitam-baovao sy ny tambajotran-tserasera. Nandalo dia nisera […]

Milamina… mandroso

  Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana amin’izao ny amin’ny tsy fandriampahalemana? Misesy ary mitohy ny fidinana ifotony. Tsy misy fampandrosoana raha tsy mitoetra sy maharitra ary azo antoka ny fandriampahalemana. Izay no ahazoana miasa sy mamokatra amim-pitoniana, iarovana sy anohizana ny ezaka vita… Nefa tsy misy koa izay fandriampahalemana marina sy maharitra, raha […]

Maloto sahady  

  Vita izy izay ! Manomboka maloto sahady ny tanàna. Efa mahita potika plastika sy fako miparitadritaka eny amin’ny arabe sy ny sisiny. Manomboka misy rano hafahafa mitsika eny rehetra eny, asa efa hanaovan-dry zalahy na zavavy maloto sahady? Tena mahavariana ilay toe-tsaina. Misy dia manao fanahy iniana mihitsy tsy te […]